Izay tsy an'asa rehetra dia ampidirina Service National

  • dimanche, 11 mars 2018 10:20
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Isaorako ny Foloalindahy nanofana ahy ka nanamafy ny fitiavan-tanidrazana tato amiko.

Mafy ireo sedra nandalovana tamin'izany.

Izaho moa no Base tao amin'ny Kaompania nisy ahy tao amin'ny Toby miaramila voalohany RM1 - Béret Vert, misahana ny tontolo ambanivohitra.

Hitatsika amin'ny sary eto ny Base sy ny contre-base tao amin'ny vehivavy, ary ny Lieutenant tamin'izany, efa Colonel izy raha ny vaovao farany azoko.

Anisan'ny nanamarika ahy ny sazy enjana nahazo anay, nefa tsy nampikemo anay izany, raha indray maraina nanao rassemblement, taona 1984, mbola nafana vay tamin'izany ny Revolisionina sosialista, ka tao aoriana tao amin'ny Kaompania notaritoko, no nisy nihoraka "Ohé Ohé" rehefa nigadona ny Barakay, toy ny olon-tokana ny Koampania rehetra tao amiko namaly hoe "Ohé".

Tsy tapitra izay, tonga dia ny Lieutenant no nandray andraikitra.

- Jeeeery Atrika!
- An'i Andry!! (Ny Base no antsoina hoe Andry, Andritrano), izaho io.
- 'Za 'zay!
- Avohay tao izay nikika hoe "Ohé" teo
- Tsy tato amiko mon Lieutenant izany
- Ambany daholo, pompe 100

Nivoaka ny Commandant de Compagnie

- Jeeery Atrika!
- An'i Andry!!
- Za 'Zay!
- Avoahay tao letsy ilay maditra be teo an
- Tsy tato amiko zany mon Commandant
- Tao amin'ialahy tao fa za aza tany amin'ny biraoko naheno ny adalan'ialahisany
Ambany daholo, roulade arrière manodidina ny camp.

Nifampiteny ny rehetra, tsy misy ankiteny eo fa rehefa vita ny angelady vao mifampihinana.
Voadionay avokoa ny camp, voasasa daholo ny WC, fa tsy nisy niteny.

Hariva ny andro

Nivoaka ny Commandant de Compagnie

- Jeeery Atrika!
- An'i Andry!!
- Za 'Zay!

- Reviko ialahisany, rehefa an'ady na misy maty sy velona dia tsy misy akiteny ny tsiambaran-telo, ary miray hina na ino-kidona na ino-kihatra, mifanavotra hatrany satria iray ialahisany.

Fantatro fa tao amin'ialahy ry Base no nivoaka ilay feo fa ialahy aloha izany no voasazy satria ialahy no tompon'andraikitry ny Kaompanian'ialahy.

3 andro ialahy irery mamafa WC.

Fa ho fanomezam-boninahitra an'ialahy dia ialahy irery ry Base no mihira ny Hiram-pirenena rehefa mampiaka-tsaina isika mandritra izay 3 andro izay.

- Barakay
(Tsis sahy nanao Ohé ohé intsony, hiihi)

Ho an'ny Tanindrazana.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.