Amidy ve ny Fahaleovantenam-pirenena?

  • mardi, 06 mars 2018 08:03
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Nahita ilay Ben'ny Tanàna nivory niaraka tamin'ny frantsay 200 omaly aho dia tohina ny fo, nahoana loatra re dia lasa zana-tany ohatr'izao isika Malagasy, ka dia nisy maire malagasy mihitsy aza nangataka tamin'ny Frantsay hoe ampio izahay ahazo fahefanana bebe kokoa fa voagejan'ny fitondrana foibe izahay.

Any ve no tokony itakiana an'izay? Ohatr'izao ve no hitondrana ny tena rafitra hitsinjaram-pahefana na hifampizarana andraikitra?

Mandiniha tena isika fa ny fahaleovatenam-pirenentsika mihitsy no atakalo izay lazaina fa fanampiana sy fiaraha-miasa amin'ny Firenena avy any ivelany.

Ampy hampandrosoana ny Firenentsika sy ny vahoaka Malagasy ny Olona manam-pahaizana sy ny Harena eto amintsika, aoka hiainga avy eto anatiny ny fifehezana ny volantsika, ny harentsika, ny any ivelany manaraka fotsiny izany.

Vitatsika io.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.