Dématérialisation de la monnaie

  • mardi, 06 février 2018 10:07
  • Super User
  • Sary nindramina Tarames

Anisan'ny ahiahin'ny maro hatrany ny hoe aiza isika no ahita vola sy mpamatsy vola anatanterahina ny tetikasa tiana ampandrosoana ny Firenena.

Efa nometsika teto moa ny momba ny fifehezana ny vola malagasy, ny fanafoanana ny MID, ny tsy fiankinan-dohantsika amin'ny vahiny, ny famokarana sy ny fanomezana asa ho an'ny rehetra.

Eto kosa isika dia io vola mivezivezy io mihitsy no ho resahina.

Efa manomboka mahazatra antsika ny Mvola, ny Orange monnaie, ny Airtel monnaie. Ireny dia tafiditra amin'ny dématérialisation de la monnaie avokoa, izany hoe tsy misy lelavola mivezivezy intsony fa dia mitovy amin'ny crédit téléphone, azotsika jerena, firy sisa ny crédit tsika, na ilay solde. Azotsika atao ny mizara na mandefa ilay crédit, de toi et moi, azo atao no mandrotsaka crédit ao anaty compte.

Toy izay koa ity carte jaune sy carte verte ity.
Ny mavo dia ho an'ny olo-tsotra, ny maitso dia an'ny professionnel na ireo mpandraharaha sy mpivarotra.

Rehefa andefa vola amin'ny Mvola isika izao, dia tonga dia miala amin'ny vola alefatsika na tovanana amboniny ny frais. Torak'izay koa ity carte ity, avy dia miala amin'io avy hatrany ny TVA sy ny hetra rehetra izay ampiasantsika azy, raha ny jaune mandefa vola amin'ny carte verte, tsy misy vola miala kosa raha samy jaune no mifanakalo vola, na ny samy verte. Foana eo izany ny TVA izay mifampitatao amin'ny samy professionnel. Taxe sur la valeur ajoutée fa tsy taxe sur le chiffre d'affaire izay atao amin'izao.

Ny fampiasana ity carte ity, dia ampihena ny tsy fandriam-pahalemana, satria tsy misy vola amin'ny sakosy entina mandehandeha.
Anamora ny fanarahamaso ihany koa ny resaka vola maloto. Tsy asiana fetra ny fampiasana azy, ary atao malalaka ny business, nefa kosa mora ahitana raha misy ahiahiana amin'ny resaka tsolotra sy kolikoly, satria tsy maintsy ny carte n'ilay mpanome tsolotra no ho hita nifandray tamin'ny carte n'ilay nandray.

Hisy ihany ny vola taratasy, fa dia ahena tsikelikely, ary ferana ny fampiasana azy.
Ny mpivarotra rehetra sy ny orin'asa dia tsy maintsy miditra amin'ny ara-dalàna avokoa satria tsy mahazo lecteur de carte, na ilay fitaovana famakiana carte raha tsy ara-dalàna, amoraina ny fahazoana izany sy ny fidirana ho ara-dalana. Miditra avy hatrany izany ny hetra, tsy misy mifapitaky hetra izany intsony, ka hampisy kolikoly etsy sy eroa.

Azo ampiasaina amin'io lecteur io mazava ho azy ny carte bancaire rehetra.

Pour les échanges financières, la monnaie sera dématérialisée par une carte jaune pour les particuliers et des cartes vertes pour les professionnels.

Les salaires seront versés dans cette carte, et le payement se fasse par carte. La TVA est prélevée directement lors de la transaction.

Il n'y a pas de frais entre échange carte jaune, ou entre carte verte. La surtaxation entre intermédiaires professionnels se trouve par ce moyen de payement supprimé, car la TVA pèse à chaque transaction alors que c'est une taxe sur la valeur ajoutée, et non pas une taxe sur le chiffre d'affaire. Un produit est égal à une seule TVA jusqu'au consommateur.

Le business est libre, pas de limite d'utilisation, mais cela laisse des traces pour des échanges monétaires prohibées, contre la corruption, car les transactions seront tracées.

La sécurité des échanges, pas de circulation des billets de banque.
Quelques billets resteront en circulation mais tout le monde doit rentrer dans le formel, pas de lecteur de carte pour les informels. Réduire et faciliter au maximum l'entrée dans le formel.

Vitatsika io.
Patrick

 

(Sary nindramina Tarames)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.