Vola sy famatsiam-bola

  • jeudi, 01 février 2018 10:16
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Mbola betsaka no diso hevitra fa miankina amin'ny habetsaky ny volamena apetraka ao amin'ny Banky foibe ny habetsaky ny vola azo avezivezy ao amin'ny Firenena iray.

Misy koa ny mandiso ny hoe, miankina amin'ny devise, na tahirim-bola vahiny ananana no amaritana ny sandam-bola iray.

Raha ny eto Madagasikara, raha atao mahitsy ny resaka, dia ny vahiny no mifehy ny volantsika. Satria isika manao politikan'ataka amin'ny vahiny, na amin'ny Banque mondiale, na FMI.

Ny FMI moa dia zandary iraisam-pirenena miankina amin'ny firenena tandrefana, hifehy ny raharaham-bola ho tombontsoan'ny tandrefana. Ny Banque mondiale kosa no mikirakira ny volan'ny tandrefana, ka izay mahazo fankatoavana avy amin'ny FMI, na ilay zandary tandrefana ihany no mahazo vola amin'ny Banque mondiale.

Anisan'izany izao ilay filazan'ny solotenan'ny Banque mondiale hoe 10% n'ny Malagasy ihany no misitraka herinaratra eto Madagasikara, ka tsy laharampahamehana ny famatsiam-bola hanarenana an'ny Jirama.

Izany hoe tafiditra any anaty vilanin'ny Malagasy mihitsy izany ny fanapahana ataon'ny Banque mondiale, izay mody milaza fa mahaleo tena ny mpitondra amin'ny fanapahan-kevitra rehetra raisiny. Ny ankamaroan'ny mpitondra nifadimby koa moa "oui mosé" avokoa, ary misasatra mihitsy aza mitety firenena mitady "bailleur de fond", ary mi style ery rehefa misy vazaha azo akarina hiaraka haka sary fa nahita partenaire vahiny hamatsy vola ny tetikasa atao aty Madagasikara.

Fanontaniana mahitsy:

Efa nahita ve ianareo hoe rehefa nisy filazana avy amin'ny Banque mondiale, na firenena vahiny hanome 1 million de dollar, ka nisy vola devise notsenaina tamin'ny camion tonga tetsy Ivato, ka nasiana escorte naterina tao amin'ny Banque Centrale?
Afaka mamaly izay mpiasan'ny Banque centrale nahita an'izay.

Fa ny marina, dia misy filazana, na taratasy io, na Fax io, na mail fotsiny hilazan'ny Banque any ivelany, fa misy volanareo 1 million de dollar avy amin'ny client nareo aty hivelany nanome 1 million de dollar anareo. Dia misoratra amin'ny compte Malagasy any, fa manana 1 million de dollar izy ao amin'iny banque any ivelany iny.

Dia raisin'ny Banky Foibe Malagasy iny mail iny, dia manatota vola Malagasy 3 miliara MGA izy raha toa ka ny MID, na ny tsenan'ny devise, izay fehezin'ny vahiny, no mamaritra fa 3 000 MGA ny 1 dollar iray.

Io ilay antsoina hoe création monétaire par jeu d'écriture.

Izany hoe ny banky iray raha misy olona tonga mitrosa vola, ividianana fourniture scolaire ohatra, mitetina 100 000 ariary, dia écriture électronique fotsiny no ataony ka hakariny 100 000 ariary ny vola ananan'ny client, ary ampifandanjany ny compten'ny banky amin'ny famoronana vola 100 000 ariary amin'ny compten'ny banky. (Equilibre de comptes, double écritures de 100 000 MGA au crédit et au débit des comptes, et le bilan reste inchangé).

Izany hoe mampiditra vola 100 000 MGA izy ho an'ny client, au crédit, ary mamoaka vola 100 000 MGA izy amin'ny compte n'ny Banque, au débit, dia mifandanja ny vola niditra, sy ny mivoaka, dia tsy miova izany ny kaonty, fa toy ny nifamono, nefa nitombo ny chiffre d'affaire na ny masse monétaire mivezivezy.

Io ilay création monétaire faite par les banques primaires, izany hoe, io banky vahiny rehetra hitatsika isaky ny kihon-dalana io izany dia afaka mamorona vola rehefa mitrosa vola aminy isika, fa tsy hoe be client izy ka ny volan'ny client hafa io ampindraminy anao io.

Misy fepetra kosa eo apetraky ny Banky Foibe mba tsy hisavoana ny vola na ny masse monétaire, itsinjovana ny tsy hiakaran'ny vidim-piainana, satria tolotra sy tinady io, rehefa betsaka ny vola mivezivezy dia hiakatra koa ny vidin'entana, rehefa fantatry ny mpivarotra anana fa niakatra ny karamam-panjakana dia ampiakariny koa ny vidin'anany ampitombo ny vola miditra aminy.

Tafiditra amin'izany fepetra izany ohatra ny hoe tsy mahazo mitrosa ambonin'ny ampahatelon'ny (1/3) karamanao ianao. Nefa tsy misy hijery na efa nitrosa tamin'ny banky hafa ianao, mety anontany izy eo ampanaovana fampitrosana, fa tsy hisy andeha hijery an'izany ny banky, fa resaka fahatokisana ny mouvement sy ny historique nao tao aminy ihany no ametrahany fitokisana aminao na ahaverim-bola ianao na tsia.

Io création monétaire io moa no dradradrain'ny mpahay toe-karena sasany hoe planche à billet, ka ampisehoana ireny sary tany Zimbabwe ireny ka rehefa andeha hividy mofo dia mitondra vola eraky ny broety.

Amin'izao isika miteny izao, dia miasa ny électronique, ka jeu d’écriture amin'ny ordinateur fotsiny no amoronana, na amotehana ny vola.

Taorian'ny ady lehibe ireny, dia potika tanteraka i Europe, dia nampiasa an'io création monétaire io izy, toy ny tamin'ny andron'ny mpanjaka taloha, ny mpanjaka ihany no namorona ny vola, dia izy ihany no nanisy mpamory hetra hakany ampaham-bola nomeny ny mpiasa, izay miasa aminy, ialana tamin'ny hoe, andevo karavasiana vao hiasa. Taty aoriana, ilay mpanjaka nanao tsara fanahy, ka tsy nomena karavasy intsony ny andevo rehefa hiasa, fa nomena vola izay ny mpanjaka ihany no namorona io vola io, ka nanomboka teo ny hoe omena karama fa tsy karavasy intsony.

Taty aoriana, mandrak'androany, dia nivoatra ny asan'ny andevo, ka tsy nokaravasiana fa nomena karama, ary nasian'ny Mpanjaka, na Fanjakana ankehitriny hoe, ireto ny zon'ny mpiasa, miasa 48ora, mahazo congé, mahazo 13e mois...

Hitatsika moa ireny vola ireny fa misy hatrany ny sarin'ny mpanjaka, na ireo endrika sy sary tian'ny Fanjakana apetaka aminy, ilazana fa iny vola iny dia ny Fanjakana no namorona azy, ary izy irery ihany no mahazo mamorona ny vola, gadraina mandram-pahafaty moa izay mikasa hamorona vola ankoatran'ny mpanjaka, na ny Fanjankana.

Miova endrika fotsiny izany ny vola sy ny asa.

Tokony ho raisina an-tanana izany ny vola malagasy fa tsy apetraka amin'ny vahiny. Foanana ny MID, ary afaka mamorona ny volantsika isika fa tsy iandry izay Firenena, na mpamatsy vola any ivelany any.

Mila manana Banky Malagasy, izay andraisan'ny Malagasy anjara na action, tsy hikatona amin'ny vahiny kosa na izany fa asiana fetrany tsy ahafahany mibaiko ny orin'asa, atao latsaky ny 30%, mba tsy ho tiers bloquant, izay afaka mitsivalana amin'ny fanampahan-kevitra.

Tandremana kosa ny fidangan'ny fiainana, izay misy fomba hiarovana amin'izay, resahina manaraka.

Ny vola foronina, dia entina amatsiana ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny indostria, ny fambolena, ny famokarana (Investissement), fa ny tombom-barotra sy ny vola ampidirin'izay famokarana izay ary ny hetra kosa no ampandehanan-draharam-panjakana, andoavana ny karaman'ny mpiasa (Fonctionnement).

Ilaina kosa ny fifehezana ireo harenantsika, na ambanin'ny tany, na ambonin'ny tany, na ana-bakabaka, na an-dranomasina, ahamari-toerana ny vola malagasy, sy ahafahana manana vola vahiny, izay ilaina ividianana ny zavatra tsy vita eto an-toerana.

Angonina kosa ny volamena, anamafisana ny sandam-bola.

Koa aza miasa saina amin'izany mpamatsy vola izany, fa isika manana ny ampy hanarenana ny Firenentsika.

Mirary soa
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.