Arrêtez vos conneries les gars!!

  • dimanche, 07 janvier 2018 09:33
  • Tigre
  • Sary GasyPatriote

Maty nama ny mpiray Tanindrazana, doborano partout, ary mbola hitombo io, ao anatin'ny 3-5j.

Mivoaha ny caserne lehiretsy dia ampio ny havana aa, izaho tsy maha baiko anareo amin'izao aloha, fa fantatro fa maro ianareo Miaramila sy Zandary ary Polisy sy Pompier ary scout, Antily, Tily, croix rouge sy izay fikambanana tanora sy mpanao baolina ary rugby rehetra io no mahita izay lazaiko eto.

Aza miandry ny tsy afaka nama, na tanam-polo aza dia efa zava-dehibe mahabata zaza avy ao anaty rano miakatra an-tanety, tsy mila baiko lavitra be any ambony nama izany a, tsy mila fitaovana etsy eroa, fa tarito nama izay eo ambany fiadidianao dia vonjeo ny Gasy fa maty e, vakio ny lalana, tohizo hazo ny tetezana, amafiso ny digy, rantsano ny hazo, esory ny vatankazo manapaka lalana.

Isika mpivavaka rehetra, maro ireo havatsika maty amin'izao, dobondrano mangataka vonjy, ajanony any daholo izay atao, fa vonjeo leheretsy ny havatsika mpiray Tanindrazana.

Avoay ny fitaovana, ny parachutistes sy ry Emmoreg rehetra.
Mila averiko ve ny budget laniana aminareo Fiarovana lehiretsy. Fiarovam-pirenena no anaranareo, defenses Nationales, ka tsy resaka mpanafika fotsiny izany fa maty ny vahoaka ka arovy.

MINISTERE DE LA DEFENSE NATIONALE 242 847 941 000 Ariary (1215 milliards FMG)

SECRETARIAT D'ETAT CHARGE DE LA GENDARMERIE 244 578 083 000 Ariary (1225 milliard FMG)

MINISTERE DE LA SECURITE PUBLIQUE 144 879 956 000 Ariary (725 milliards FMG)

MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION (Sécurité Interieure) 216 925 187 000 Ariary (1085 milliards FMG)

PRESIDENCE DE LA REPUBLIQUE 132 840 069 000 Ariary (665 milliards FMG)

PRIMATURE 146 296 067 000 Ariary (725 milliards FMG)

GasyPatriote

Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.