Orinasa malagasy: Mifoha maraina dia efa hidiram-patiantoka

  • mercredi, 22 novembre 2017 09:37
  • Tigre

Miasa mafy ny mpandraharaha malagasy ampandroso ny orinasany nefa tera-tsemboka, fa dia fatiantoka hatrany.

Fitantanana tsy mahomby ve? Tsy ampy fitaovana ve? Tsy ampy fiofanana sy traik'efa ve? Sa tsy ampy lalam-barotra?

Na ny lehiben'ny orinasa aza fotsy volo tampoka. Lazaina mihitsy aza moa fa ao anatin'ny 03 taona voalohany hijoroan'ny orinasa dia aza manantena andray vola aloha ny tompon'ny orinasa.

Mety ho marina avokoa izany fa ny antony lehibe raha ny eto Madagasikara, dia ny sehatry ny fandraharahana mihitsy no mitarika io fatiantoka io.

Ho raisitsika tsirairay amin'ny fomba tsotra ary ny fizotran'ny orinasa iray amin'ny ankapobehany.

Raha mitotaly 100 ariary (100%) ny vola miditra amin'ny orinasa iray, na vidin'entana io (vente), na vidina fandraharahana (service, conseil), na vidina famokarana (Production), dia io 100 io ilay antsoina hoe Chiffre d'affaire na CA. Hivelan'ny hetram-panjakana hatrany ny kaontitsika na ilay antsoina hoe Chiffre d'affaire Hors Taxe.

Ny Chiffre d'affaire izany tsy inona fa ny Total Recette na ny vola maty hoy ny Gasy. Ka na vola maty androany io, na vola maty iray volana, na iray taona.

Raisitsika ary ny CA=100

- Amin'io CA 100 io, dia na tiana na tsy tiana dia misy karaman'ny mpiasa sy ny Ostie ary Cnaps sy ny hetram-panjakana momba ny mpiasa (salaire et charge sociale) 30%. Raha mihoatra ny 30% amin'ny Chiffre d'affaire izany ny karaman'ny mpiasanao dia efa mandiniha tena. Tsy tokony hihoatra ny ampahatelon'ny vola maty izany ny karaman'ny mpiasa rehetra.

(Ny fonctionnaire raha ny budget Malagasy dia 70% amin'ny budget total, karama fotsiny, raha orin'asa izany ny fanjakana dia efa faillite totale)

- Amin'io CA 100 io dia misy hofatrano, jirama, téléphone, fourniture de bureau, assurance, sy ireo tsy azo ialana, io ilay Charge fixe, izay mampivadika atidoha ny orinasa, satria na mahalafo na tsy mahalafo, hofatrano tsy maintsy aloa. 30% ihany koa io.

- Amin'ny maha orinasa mpamokatra azy, dia tsy maintsy mividy akora ahodina, na matière première, na entana vidiana raha hiverina hivarotra, na kirakira hafa raha service no amidy. 30% koa ny vidin'io akora ahodina io.

Raha totaliana izany ny vola tsy maintsy mivoaka dia

CA= 100

- Salaire 30
- Charge fixe 30
- Matière première 30

dia hatreto ny dépense dia efa miakatra 90 amin'ny vola miditra 100.

10% izany sisa no tsinjaraina amin'ny tombom-barotra, ny hetram-panjakana ary ny charge financière na zana-bola raha hitrosa vola amin'ny banky na amin'ny havana, na amin'ny mpijirika.

Raha everina fa 5% no tombom-barotra alain'ny tompon'ny orinasa, dia 5% izany sisa no hakana ny hetram-panjakana sy ny zana-bolan'ny Banky.

Eto amintsika anefa dia 17-19% ny zana-bola alain'ny Banky isan-taona, ary 72% ny zana-bola alain'ny Micro-credit.

Io moa mbola jeretsika mitokana, fa io micro-credit io no tena fositra indrindra, mody lazainy fa 6% ny zana-bola alainy fa tsy lazainy fa 6% isam-bolana io teneniny io, ka dia 6% x 12 = 72% izany isan-taona.

Raha orinasa iray mindram-bola amin'ny banky izany no resahina dia toy izao izany ny vola hivoaka aminy

CA= 100

- Salaire 30
- Charge fixe 30
- Matière première 30
- Charge financière (Zana-bola banky) 17 miampy ny renivola averina.

Eo isika dia efa kofona, tsy mbola misy resaka fitantanana eo, na resaka tsena tsy ampy. Fa vao manokatra labotika vao maraina izany ianao dia efa idiram-patiantoka 7%, ka tsy gaga ireo mpitantana orinasa raha mahatsapa, fa tamin'izy irery no tao amin'ny orinasa dia toa niadana ihany izy, fa arakaraky ny mahalehibe ny orinasa toa vao maika sahirana izy.

Manenjika mampitombo ny Chiffre d'affaire izy mba hanenjehana ny karaman'ny mpiasa, ny charge fixe, nefa toa vao maika milentika, misavovona ny trosa amin'ny banky, sy ny trosa aman'olona, satria arakaraky ny hitomboan'ny CA no mampitombo ilay 7% perte, dia rendrika ny orinasa.

Mitady vahaolana manao diversification des produits, izany hoe mivarotra zavatra maromaro, sao mba ahitana tsena hafa, ka ny mpivarotra mofo lasa sady manao photocopie, sitrany ahay rehefa tsy misy olona dia mandeha ny mofo akondro, nefa tsy tafavoaka hatrany. Satria tsy avy ao anatiny ny olana, fa ivelany, facteur externe indépendant de l'Entreprise.

Tsy mitsahatra mitady hevitra anefa ny tompon'ny orinasa, dia miezaka izy ampihenana ny dépense, dia mazava ho azy, kikisana ilay karama 30%, dia tsy andoavana Ostie na Cnaps ny mpiasa, miditra amin'ny illégalité eo, ahena ny karaman'ny mpiasa, latsaky ny Smig, ampitomboina ny ora fiasana nefa tsy misy heure supplémentaire.

Ahena ny Charge fixe, mitady trano mora, na dia tsy mifanentana amin'ilay orinasa, tsy aloha ny assurance satria mavesatra, ka vao misy fahavoazana dia vita hatreo ny orinasa, ny machine na ny investissement tsy afaka avaozina intsony, hitatsika amin'ireny taxi sy taxibe miharatsy be ireny, tsy resaka Omavet fotsiny io. Miharatsy ny fitaovam-pamokarana, dia ilaozan'ny tsena, satria ny entana avy any ivelany tsara nefa mora, hitatsika ny fitobaky ny entana vita sinoa na vahiny ireny.

Itadiavana hevitra ny tsy andoavana ny hetram-panjakana, na ny TVA izay 20% taotaovina amin'io Chiffre d'affaire 100 io, izany hoe ny trésorerie na ny vola maty an-tanana no tsy maintsy andoavana io hetra 20% io, dia manao risoriso, omena 5% ny mpitaky hetra, sitrany ahay mba misy 15% mijanona, satria aza adino fa 10% sisa ilay hifandrohitana farany raha

- 30 salaire
- 30 charge fixe
- 30 Matière première

Tsy mahagaga izany raha ny secteur service sy ny secteur commerce no miroborobo eto amintsika, fa ny industrie dia reraka, satria ny industrie misy ilay 30% matière première, fa ny secteur service, dia salaire sy charge fixe no betsaka, satria ny ati-doha no amidy, toy ny secteur conseil, finance, expertise, bureau d'étude.

Ny varotra dia entana vidiana no amidy, transport sy ny stockage ihany izany no dépense. Nefa ny varotra dia tsy misy tombony ho an'ny firenena ankoatran'ny hetra, satria dia tsy mamorona asa fa ny eo no avadibadika.

Tsy mahagaga izany fa amin'ny tany mahantra dia ny varotra no miroborobo, izy itatsika feno varotra hatreny amoron-dalana rehetra io, ka na ho roahina sy afindrafindra ary ireo mpivarotra ireo dia raha ny sehapihariana eto amin'ny Firenena no toy io dia hitombo hatrany ireo mpivarotra amoron-dalana, satria ny mpivarotra amoron-dalana tsy manana ilay charge fixe 30%, dia iny no misolo ny tombom-barotra azony.

Ny mpivarotra amoron-dalana no mahazo tombony kokoa noho ny mivarotra anaty trano, satria izy sady tsy mandoha TVA 20%, no tsy mandoha hetra, mety habatsena 2000 ariary isan'andro fotsiny ny azy, no tsy misy jirama, sy assurance sy hofantrano, tsy misy Ostie, sy Cnaps. Dia miroborobo izy.

Facteur externe io.

Inona no atao izany hoy isika?

Ny politika momba ny fitantanam-bola eto amin'ny Firenena no tena olana ka miteraka fantiatoka tanteraka io.

Mila manana vola mahaleo tena ny Malagasy fa tsy hiankina amin'ny Euro sy Dollar, na io MID io, izay ny tsenam-bola hivelany no mampiakatra sy mampidina ny sandam-bolantsika.
Foanana io MID io, ary fehezina ny volamena hamarin-toerana ny vola malagasy.

Fitaovana eo ampelatanan'ny Firenena ny Banky Foibe izay mamaritra ny Taux d'inflation, sy ny Taux directeur na ny sandam-bola hampitrosain'ny Banky. Tsy azo iainana izany taux d’intérêt 17% izany.

Marihina fa any amin'ny firenenkafa, raha tsy hiresaka hafa tsy etsy Maurice, dia tsy mihoatra ny 5% ny zanabola alain'ny banky, ary 30-50 taona ny amerenana ny renivola raha hividy trano na fitaovana vaventy.

Eto amintsika, dia fourniture scolaire no anomezana trosa amin'ny banky, izay averina 1 taona amin'ny zanany 19%. Usure na fanjanaham-bola no anaran'izany fa tsy crédit bancaire.
Tsy mahagaga raha dobo sy difotra ny tantsaha maka vola amin'ny micro-credit izay zanabola 72% no alaina, very tany sy trano avy eo.

Ny Firenena tsy manana indostria anefa dia tsy hisy famoronana asa mihitsy, ka dia hiamahantra ny mponina. Ny herin'aratra rahateo dia 10% n'ny firenena ihany no manana azy, nefa rehefa tsy misy herin'aratra dia tsy misy indostria.
Diso be sy famarinana ankady izany ilay filazana hoe 10% n'ny Malagasy ihany no misitraka ny jiro ka aza atao laharam-pahamehana ny fanarenana ny Jirama.

Mila manana Banky malagasy izany isika fa tsy banky vahiny daholo no misy eto.

Mahereza ary midera antsika mpandraharaha Malagasy, aza kivy.

Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa