Fantatrao ve: Fangatahana fahafahana vonjy maika amin'ny raharaha vono olona (Meurtre)?

  • mercredi, 31 mai 2017 12:14
  • Tigre
  • Tahirin-tsary fampiaingoana, Tanànan'Antsohihy

Isaorana hatrany ireo namatsika Mpahay Lalàna.

Amin'ny raharaha vono olona ("meurtre"); Rehefa manao fangatahana fahafahana vonjimaika ("demande de mise en liberté provisoire") ny voampanga voatàna am-ponja vonjimaika ("inculpé détenu préventivement") dia alefa any amin'ny Mpitsara Mpanao Famotorana ("juge d'instruction") izay misahana ny raharaha ilay fangatahana.

Alefan'ny Mpitsara Mpanao Famotorana ("Juge d'Instruction") any amin'ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République") indray io fangatahana io miaraka amin'ny "dossier" manontolo.

Manoratra ny heviny ao ny Fampanoavana. 3 io heviny io araka ny Lalàna:
Na TSY MISAKANA NY FAHAFAHANA VONJIMAIKA,...NA MISAKANA NY FAHAFAHANA VONJIMAIKA,...Na ..MANANKINA NY RAHARAHA amin'ny FAHENDREN'NY FITSARàNA!!!

Raha efa izany dia ALEFAN'NY FAMPANOAVANA ny raharaha ho tsaraina eo anatrehan'ny Sampam-Pitsaràna misahana ny Fitanana am-ponja Vonjimaika ("Chambre de la détention Préventive")

Ny Filohan'ny Fitsaràna( "Président du Tribunal") na ny LEFINY ("VIce Président") miampy Mpitsara Mpamoaka didy ("Juges") 2 no mandinika an'io Fangatahana Fahafahana Vonjimaika io!!!

2 ny didy mety hivoaka: NA OMENA FAHAFAHANA VONJIMAIKA NA LAVINA NY FANGATAHANA!...Ny hevitry ny maro an'isa no arahina eo.

Ampahafantarina an'io Didy io ny Fampanoavana ("Procureur de la République"). Raha TSY NISAKANA NY FAHAFAHANA VONJIMAIKA ny Fampanoavana dia OMEN'NY Tonia Mpampanoa Lalàna ("Procureur") BAIKO NY LEHIBEN'NY FONJA HAMOAKA ILAY OLONA!

Raha NANANKINA NY FANGATAHANA FAHAFAHANA VONJIMAIKA AMIN'NY FAHENDREN'NY FITSARàNA kosa no hevitry ny Fampanoavana dia miandry 3 andro aorian'ny nivoahan'ny DIdy manome Fahafahana Vonjimaika vao afaka mivoaka ilay olona!!!..Io 3 andro io mantsy no fe-potoana ahafahan'ny Fampanoavana manao fampakàrana ("Appel") an'ilay Didy.

Raha NITSIPAKA NY FAHAFAHANA VONJIMAIKA ("S'OPPOSER à LA MISE EN LIBERTé PROVISOIRE") kosa NY HEVITRY NY FAMPANOAVANA dia TSY MAINTSY manao FAMPAKàRANA ("appel") an'io DIDY MANOME FAHAFAHANA VONJIMAIKA IO ny TONIA MPAMPANOA LALàNA ("Procureur de la République")!!!...Midika izany fa TSY MIVOAKA NY FONJA ILAY OLONA!!!...Raha tsy manao izany fampakàrana ("appel") izany ny "Procureur de la République" dia fahadisoana arak'asa lehibe ("faute professionnelle grave") ho azy izany ka mitarika sazy.

Marihina anefa fa raha nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika dia AFAKA MANAO "APPEL" ihany koa ilay Voampanga na ny Mpisolovava ("avocat") azy!....Alefa any amin'ny Fitsaràna Ambony ("Cour d'Appel") ilay raharaha ary ny any no tompon'ny teny farany.

Midika izany fa raha misy ny ahiahy amin'ny kolikoly momba ny famoahana vonjy maika (LP) amin'ny raharaha vono olona dia
TAMBAZOTRA MIHITSY NO NANOME NY L.P.

Raha any amin'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany (Tribunal de Première Instance): Procureur miampy Juges 2 fara-fahakeliny no tafiditra amin'ny kolikoly.

Raha any amin'ny Fitsaràna Ambony ("Cour d'Appel") kosa dia Mpitsara Mpamoaka didy 3!

Momba ny Substitut, dia "Subordination hiérarchique" no mangeja azy. RAHA MIBAIKO NY "Procureur" dia TSY AFAKA MANKAIZA izy fa tsy maintsy manaraka!!!

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa