Fantatrao ve: Vahaolana ve ny orana artifisialy?

  • lundi, 16 janvier 2017 13:23
  • Super User
  • Sary nindramina

Maina ny tany, tsy hiverenantsika ny antony, fa ny fanimbantsika ny ala, fanaovana kitay, saribao, 90% n'ny Malagasy dia mampiasa ny hazo ho angovo fandrehitra fanaovana sakafo sy hanazavana ny trano avokoa.

Ao ihany koa ny fikapana sy fandoroana ny ala, ny fanaovana tavy.

Mipetraka ny fanontaniana hoe, maninona raha mandatsaka orana ampitomboana ny rano eny an-tanimbary sy ny dobo lehibe famokarana herin'aratra?

Ahoana ny lalan'ny rano?

Tsiahivina fa ny rano dia misy lalana miodina, na cycle.
Avy ny orana, dia milatsaka ety an-tany, dia miditra any ambany tany, manatevina ny sinibe ao ambany ao, na nappe phréatique, dia voadion'io tany io izy rehefa mandalo any anaty fasika samihafa any, dia mipoitra eny andoharano, ka mikoriana eny amin'ireny renirano ireny indray, ary mivarina any an-dranomasina, dia avy eo lasa entona indray rehefa tratran'ny hafanana ka miakatra lasa rahona, dia rehefa mavesatra indray iny rahona iny ary tratran'ny hafanana dia milatsaka indray lasa orana.

Misy ny mikoriana ety ambony tany, na eny ambony goudron na ciment raha andrenivohitra, dia mivarina mivantana any anaty tatatra sy renirano ary andranomasina.

Ahoana ny fandatsahana orana artifisialy?

Araky ny voalaza eo ambony io, dia lasa entona ny ranomasina na ny rano ety ambonin'ny tany ka lasa rahona. Dia miandry azy mitambatambatra mavesatra vao miverina milatsaka ho orana.

Toy ny ranombary amin'ny sarombilanitsika io, rehefa mangotraka ny rano, afo be avy aty amin'ny vodivilany, dia arakaraky ny hanalavirana io afo io, izany hoe miakatra ety ambony dia miamangatsiaka ilay entona, ka vao mikasika amin'ilay sarom-bilany mangatsiaka noho ilay afo ao ambany, dia mivadika gouttelette izy na iny ranon'entona iny, ka vao sokafana ny sarom-bilany vao miraraka izy toa rano be.

Toy izay koa ny orana, ny masoandro manafana ny tany, ka ny ranomasina aty ambany dia mitana izany hafanana izany ary manafana ny tany, ka lasa entona ny ranomasina sy ny rano miandrona dia miakatra eny amin'ny rahona. Mitsoka anefa ny rivotra, izany hoe fifindran'ny rivotra amin'ny toerana mafana mandeha any amin'ny mangatsiaka, dia voatosika mifindra ihany koa io rahona io.

Azo atao izany ny fandatsahana orana artifisialy raha misy ny rahona sy tsy mitsoka firy ny rivotra. Raha manga be izany ny lanitra fa tsy misy rahona dia efa adinoy fa tsy azo atao ny orana artifisialy. Raha nety izany efa feno orana tany amin'ny désert de Sahara.

Raha mangatsiaka ny rahona dia iodure d'argent no afafy aminy, izany hoe karazamby izy io, ka manantona azy io ny goutte d'eau rehetra manodidina ny rahona, ka rehefa mavesatra io cristaux iodure d'argent io dia miraraka ny orana.

Aza adino fa tsy levona anaty rano io iodure d'argent io, ary mety hampididoza aram-pahasalamana. Satria hiditra any ambanin'ny tany io ka hifangaro amin'ny nappe phréatique, na ilay tahirin-dranobe ao ambanin'ny tany hamatsy ny rano fisotrotsika.

Raha mafana kosa ny rahona dia sira no ampiasaina, 100 000 avo heny amin'ny iodure d'argent no ilaina raha sira no ampiasaina.

Hatreto aloha, mizarazara ny hevitr'ireo manapahaizana momba azy io. Maro ny milaza fa tsy mampitombo velively ny rotsak'orana isan-taona akory io fandatsahana orana artifisialy io, nefa mitondra aretina sady lafo.

Ny Sinoa no nampiasa betsaka azy io ho an'ny tantsaha tany aminy, fa tsy nahita vokatra firy, misy ny mampiasa fiaramanidina, misy ny mampiasa roquette feno iodure d'argent ao anatiny. Noho ny resaka fifamoivoizana ara-piaramanidina dia ratsy be ny roquette.

Misy koa ny mampiasa io iodure d'argent io amotehana ny avandra mbola eny ambony eny hivadika rotsak'orana mba tsy animba ny fambolena ny avandra.

Misy hany koa ny mampiasa io fandatsahana orana artifisialy io amotehana ny rahona izay mety hiteraka orana amin'ny fotoana mialohan'ny hetsika tiana atao, hita izany talohan'ny jeu olympique, narotsaka mialoha ny orana mba tsy hanimba ny lalao.

Misy koa ny nampiasa azy io amin'ny ady hifanaovana mba androtsahana orana, anahirana ny mpifanandrana. Nampiasaina ihany koa izy io tamin'ny fipohahan'ny Tchernobyl, satria ny rahona nitondra ireo vovoka nokleary, dia mba tsy hitarany tamin'ny toeran-kafa dia narotsaka ho lasa orana ilay rahona. Nefa moa ireny dia midina any anaty sinoben-drano ambanin'ny tany avokoa.

10 tapitrisa ariary eo no fandatsahan'orana iray, fa tsy azo antoka hoe hilatsaka ny orana na tsia.

Tsy misy magie na fahagagana amin'ity resaka tontolo iainana ity, fa isika Malagasy tsy maintsy maka fepetra enjana anoloana ny saribao, sy politika matotra momba ny fambolena ala.

Afaka 20 taona dia ho lasa désert i Madagasikara raha mitohy izao famotehantsika azy izao. Lova inona no apetratsika amin'ny zanatsika izay efa teraka ao an-trano?

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.