Angovo: Laharam-pahamehana ho an'ny Fampandrosoana

  • mercredi, 21 décembre 2016 13:45
  • Super User
  • Sary nindramina

Fahadisoan-kevitra goavana ny filazana fa 15% n'ny mponina malagasy ihany no manana herin'aratra ka tsy laharam-pahamehana izany fa ny sosialim-bahoaka 85% no anompanana ny ezaka.

Ny fampandrosoana ny Firenena dia tsy maintsy miainga amin'ny famokarana, ka ireo vokatra no amidy amin'ny tsena anatiny sy ahondrana any ivelany ahazoana vola vahiny ividianana izay akora na vokatra tsy mbola vita eto an-toerana.

Ny famokarana no miteraka asa, satria mila mpiasa anao izany asa famokarana izany. Ny vokatra amidy no ahazoan'ny fanjakana vola amin'ny alalan'ny hetra na TVA, ka ampandehanan-draharaha sy anaovany asa sosialy izay tsy mampidi-bola toy ny fandriampahalemana, ny fahasalamana, ny fampianarana ary ny fanampiana ireo osa, mahantra, zokiolona, olona manana kilema...

Ny vola azo amin'ny vokatra sy izay vola trosaina, na vokatra azo avy amin'ny harena ankibon'ny tany, na ambonin'ny tany no anaovana foto-drafitrasa vaventy izay anamora izany famokarana sy ny fivezivezen'ny olona sy ny vokatra izay amidy izany.

Tsy misy anefa asa famokarana tsy mila angovo, na solika io, na herin'aratra, na gaz, na omby, na angovo tànana.

Raha politika sosialy izany no ametrahana ny fampandrosoana, dia tsy ny vokatra vokarina izany no ampidi-bola fa na ny harem-pirenena, toy ny volamena, ny bois de rose, pétrole, tany, izany no amidy ambongadiny amin'ny vahiny na amin'ny mpanam-bola, dia izay vola izay no amatsiana ny asa sosialy izay averina ihany fa mandany vola fa tsy mampidi-bola.

Ny fijerena ireny tsena feno olona ireny, dia midika fa samy tsy misy mamokatra avokoa izy ireny amin'iny fotoana iny, na ny mpivarotra na ny mpividy, nefa isika raha mahatsikaritra dia tomefy olona hatrany ny arabe sy ny tsena amin'ny ora rehetra, izany hoe tomefy olona tsy mamokatra amin'ireny fotoana ireny, saingy mifandimby fotsiny ny rehetra eo.

Noho izany dia laharam-pahamehana ny politikan'ny Angovo, ny herin'aratra, satria io no miantoka ny famokarana ka ialana ity politikan'ataka izay entina anaovana fampelezan-kevitra fotsiny ity.

Antsoy ny Malagasy rehetra izay te ampiasa ny volany sy ny fahaiza-manao ananany.

Patrick

 

Commentaire (1)
  • Clomid Cherche Personne Pour [url=http://orderviapills.com]online pharmacy[/url] Recommended Viagia Sites Acheter Dapoxetine Chlorhydrate Cialis Nez Bouche
    lundi, 09 octobre 2017 11:59
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa