Editorial

    • vendredi, 11 mai 2018 12:35
    • Tahirin-tsary Ranomafana Brickaville

    Ethanol: Angovo fandrehitra sy fandrahoan-tsakafo omena ny isan-tokantrano

    Ny ankabeazan'ny Malagasy amin'izao dia mbola mampiasa saribao, na kitay avokoa andrahoan-tsakafo. Mahalany saribao gony lehibe iray isan-kerinandro ny tokantrano misy olona 5 amin'ny ankapobehany, izany hoe 80 000 ariary (400 000fmg) isam-bolana raha 20 000 ariary ny goni-tsaribao lehibe iray. Ny Malagasy anefa dia mahay manao toaka gasy, izay tsy inona fa alcool mihoatra ny 90°, izay mirehitra, tsy inona ny toaka gasy fa éthanol ihany, saingy ny éthanol dia tsy asiana larony, na ilay mahatsara tsiro. Tsy famporisihina ny olona isotro toaka izany ity programa lehibe ity, satria dia ho arahi-maso ny famokarana azy, ka hisy ny fandokoana ny éthanol ampiavaka azy amin'ny lokon'ny lasantsy sy pétrole ary ny gazoala. Asiana fangaro ihany koa ny éthanol mba tsy ahafahana misotro azy (Colorant et amérisant). Ny éthanol dia azo avy amin'ny fary na mangahazo.Ny fary sy mangahazo dia maniry manerana ny nosy. Ny éthanol 1 litatra dia mahavita andrahoan-tsakafo mandritra ny 4ora, tsy mipoaka, fa mila fitandremana fotsiny satria mirehitra.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mai 2018 15:22

    Rano: Zo fototra fa tsy entam-barotra

    Singa faran'izay majinika mitambatambatra no lasa ranobe. Faran'izay tsotra izy, izay hanaovana azy dia arahiny avokoa ny endrika omena azy. Nefa dia matanjaka izy. Mamelona izy, 80 % n'ny vatan'olombelona dia izy avokoa.Nefa mamono sy mahery koa izy raha setrasetraina. Kajio ary ny rano fa aorian'ny ady amin'ny pétrole dia hitranga ny ady rano. Ananantsika maro izy na ety an-tanety na an-dranomasina. Tsy entam-barotra ny rano, na ekena fa misy manao seha-pihariana amin'izany, fa Zo fototra omena ny Malagasy rehetra kosa ny rano, na ho an'ny fambolena sy fiompiana izany, na ho fisotro madio sy fidiovana. Ao anatin'ny tetikasa "Vitatsika io" dia ho raisin'ny fanjakana an-tanana ny fikajiana sy ny fanomezan-drano ho an'ny rehetra. Zo fototra io. Tsy amidy hitadiavam-bola ny rano fa fandraisana anjara no apetraka.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 mai 2018 12:00

    Baie de Narinda: Hanaovana port sy aéroport lehibe, nouvelle ville, Nosy lava atao Nosy fizahan-tany

    Tafiditra ao anatin'ny tetikasa Vitatsika io, ny fanamboarana seranan-tsambo lehibe eo andrefan'ny Madagasikara, faritra Analalava, andrefan'Antsohihy. Lehibe tokoa io helodrano natoraly io, lalina ary tsy manonja ny ranomasina. Mirefy 10km ny sakan'io Helodrano na Baie de Narinda io, ary 68Km ny halavany, lalina tokoa ny rano ka afaka hidiran'ny sambo vaventy. Anaovana zone de stockage off-short na toerana fametrahana entana tsy andoavana haba eo akaiky eo, izay toerana andalovan'ilay autoroute de l'Unité Nationale manodidina an'i Madagasikara. Asiana seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, handray ireo manandrahara eo amin'ny port, sy hampifandray ny andrefan'ny Nosy amin'ny Afrika sy ny tany arabo, ary Amerika. Varavarana mitodika any andrefan'izao tontolo izao izany, na ny seranan-tsambo lehibe, na ny seranam-piaramanidina. Anaovana Tanàna vaovao na nouvelle ville, ka hisy trano moderina 50 000 hatsangana ao. Hisy ny jiro sy rano, hisy internet, hisy hopitaly, sekoly, toeram-pihofanana ambony momba ny resaka sambo, ranomasina, hisy régiment militaire sy marin ary aérien. Hiantsona ao ilay Mirage na F16 miisa 2 amin'ilay 6 ho vidiana hanaramaso ny ranomasina sy ny sisintanitsika.
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 mai 2018 08:51
    • Sary nindramina

    Ahoana ny fanamboarana Bio-gaz fandrahoan-tsakafo?

    Maro amintsika indrindra ireo manana tokotany malalaka na ny mipetraka hivelan'ny renivohitra indrindra isika any ambanivohitra no afaka mampiasa ny bio-gaz ho solon'ny kitay sy ny saribao na ny afo fandrehitra mba ampiasaina andrahoan-tsakafo. Eny, azo ampiasaina hamanana trano, na hamokarana herin'aratra mihitsy aza raha mitambatambatra ny ao amin'ny fokontany. Ny tanjona dia ny amadihana ireo poti-kanina, ireo tain'omby, tai-kisoa, pipin'omby sy kisoa, ny tain'akoho sy ny rano avy nanasana tranom-biby samihafa. Maro ny tsy tia fa ny tain'olona sy ny pipin'olombelona dia azo amokarana tsara bio-gaz izay tsy misy mahasamihafa azy amin'ny an'ny biby. Raha tsy manana ireo fiompiana ireo, dia ireny ravin-kazo sy tsikafokafona ireny na faikana salady simba ireny dia mety avokoa avadika ho bio-gaz toy ireo fako maro samihafa. Inona no ilaina ?
    Lire la suite ...
    • dimanche, 06 mai 2018 19:02

    Ambohitsorohitra: Fanorenana Lapan'ny Fihavanana

    Hanehoana ny Kolontsaina Malagasy iray manontolo, izay miorina eo ambonin'ny Fihavanana, dia ho atao "Lapan'ny Fihavanana" ny lapan'Ambohitsorohitra ankehitriny. Haranty ao avokoa, ka azon'ny rehetra tsidihina (Mozea), ny tantara Malagasy, ny tantaran'ny Fanjakana rehetra nanerana ny Nosy, ny kolontsaina Malagasy, ny tantaram-pirenena nifandimby, ireo rehetra nitondra ny Firenena. Ho kajiana ao ireo famantarana manokana ny Fanjakana isam-paritra sy isam-poko. Toerana hanaovana fikarohana ny tantaran'ny faritra tsirairay sy ny tantaram-pirenena ihany koa ity “Lapan'ny Fihavanana” ity. Eo amin'ny 14ha eo ny velaran'ity toerana ity, ka dia hananganana "Tranoben'ny Kolontsaina" lehibe, ahafahana mandray olona 10 000 eo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 mai 2018 11:00
    • Sary Gasypatriote - Pêche et froid Diego

    Indostria: Fototry ny toe-karena

    Resahina foana ny antsoina hoe fitomboan'ny harikarena, na ilay hoe taux de croissance. Inona moa izy io, ary mampitombo ny vary miditra anaty vilia ve izany? Lazaina fa tokony à deux chiffres ny tahan'ny harikarena vao ho tsapa any antokan-trano izany? Raha hiverenana kely, dia nivelona tamin'ny fihazana, fanjonoana, ary fihotazana ny olona fahiny. Izany hoe, izay vokatra nisy teo ambony tany, naniry, biby ary trondro, no nohanina sy nivelomana. Dia rehefa lany ilay sakafo teo dia nifindra toerana hafa nitady izay azo nohanina. Taty aoriana anefa, nanomboka niadivan'ny vondron'olona izay nitambatambatra ny toerana tsara, ary niha ritra ihany koa ireo zavatra azo notazana sy nohazaina, ka tsy ampy satria nitombo ny isan'ny olona. Tao koa no reraka sy maty amin'ilay mifindra lava, ka nanomboka namboly sy niompy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 mai 2018 10:16
    • Sary Gasypatriote Andasibe

    Fambolen-kazo: Ho Tany maitso i Madagasikara

    Malaza moa ny hoe "Madagascar l'Ile rouge", satria dia tany mena avokoa ny toerana rehetra, kaohon'ny riaka daholo ny havoana, mamovoka ny toerana rehetra, mirongatra ny aretina samihafa entin'ny voalavo sy biby samihafa. Maro ireo ala harovana, fa mifandona amin'ny fahantran'ny mponina, ka lasa toerana fihariana, na fambolena, na fihazana, na fitrandrahana harena ankibon'ny tany, na lasa fanaovana harina fandrehitra, saribao sy kitay. Ao koa anefa ny filana hanaovana trano, toy ny bois rond, bois carré sy planche. Ao no misy ny harena sarobidy toy ny bois de rose, bois d'ébène, palissandre sy ny maro hafa. Ao ny fanaovana fanafody.Ary ao ny toeran'ny biby tsy fahita maneran-tany. Ao ireo toerana mananan-tantara sy vakoka, ary ara-kolotsaina. Ao ireo mampidi-bola amin'ny fizahantany. Atao ahoana ary ny hampiarahana ireo filana mety mifanohitra rehetra ireo, nefa samy fivelomana avokoa.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 mai 2018 16:32

    1 mai: Tsy misaraka ny asa sy ny fampianarana ary ny fiofanana arak'asa

    Amin'izao andro irasaim-pirenenana ho an'ny asa izao dia mahatsiaro manokana ireo mpiasa sy mpianatra arak'asa rehetra. Misy namana iray injeniera nanao mission, anamboatra barrage, dia voatifitry ny dahalo ny fiara nitondra andreo, dia maty tsy tradrano, taona maromaro lasa izay. Mahatsiaro antsika mpiasa rehetra mikely aina manasoa ny mpiara-belona, nefa tsy misy mahita ny asatsika. Ireo namono tena nianatra, zara raha mahazo karama 500 000 ariary, 2 500 000fmg. Nefa toa inona ny vola lany nividianana fitaovana sy saram-pianarana. Misy ny injustice amin'ireo nianatra sy ny tsy nianatra. Very repère ny firenena ka lasa resaka bizina sy ny be vava ary ny mahitahita sy ny mpangalatra indray no avo vava sy hatahorana. Tsy manenjika ny tsy nianatra, mila hitadiavana hevitra mba hianaran'ny zaza sy ny tanora malagasy rehetra, nefa asiana lanjany koa ny ezaka nataon'ny tsirairay ka anomezana tambiny sahaza izay ezaka izay.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 08:57
    • Photo Présidence

    Ça suffit !

    Sans tomber dans les pamphlets, ii est tout de même temps que les ingérences étrangères s’arrêtent. Voilà que la Secrétaire général de l’Organisation Internationale de la Francophonie Michaëlle Jean rapplique pour sauver Rajaonarimampianina du gong de la déchéance. Effectivement, pour le moment, le Chef de l’Etat malagasy est le président en exercice de la Francophonie, mais cela le met-il à l’abri de toute déchéance par voie juridique et pourquoi pas par la force des …armes. Les forces armées qui furent son seul soutien ont déjà fait savoir qu’ils le lâchent après les fausses manœuvres de l’Emmo-Reg le samedi 21 avril dernier faisant des morts. L’ensemble de la classe politique réclame son départ, mais il semble que la communauté internationale lui accorde un sursis dans l’attente d’élections.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 avril 2018 09:03
    • Sary nindramina

    Fantatrao ve: Vidiana lafo ny fotoana

    Matetika fandrentsika ny hoe "Time is money", "Le temps c'est de l'argent", "Vidiana lafo ny fotoana". Etsy ankilany anefa misy fitenenana hoe, ny "aina fanary, ny vola fitady", misy koa ny hoe "asa tselika" sy ny "asa am-paritra". Ny Malagasy matetika rehefa mikajy ny tombombarotra, na famokarana io na varotra, dia kajiany ny masokarena, izany hoe, ireo vola rehetra laniny nanamboarana ilay zavatra amidy, na ireo vola rehetra laniny namokarana, na ireo laniny nividianana ilay entana, toy ny saran-dalana, ny docker nibata, ny karaman'ny mpiasa, ny hofan-trano, ny jiro, ny rano... Fa ankavitsiana no mikajy fa nisy aina, sy fotoana lany tao, lasa fitenenana aza ny hoe, ny aina fanary, fa ny vola no fitady. Nefa raha mandray ohatra isika, mpiasa iray mandray karama isam-bolana 200 000 ariary.Miasa 8 ora isan'andro izy, 40 ora isan-kerin'andro, ary 160 ora isam-bolana. Midika izany fa karamain'ny mpampiasa azy 200 000 ariary/160 ora izy izany = 1 250 ariary isan'ora.
    Lire la suite ...
Page 10 sur 40