Kraomita Malagasy: Mibaby trosa 101 miliara Ariary sy fatiantoka 39 miliara Ariary

  • samedi, 15 février 2020 10:42
  • Sary nindramina

Nihaona an-databatra boribory, tao Ampandrianomby, ny zoma 14 febroary 2020, ny avy amin'ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika notarihin'ny Minisitra Ravokatra Fidiniavo, ny Filankevi-pitantanana, ny Tale Jeneraly sy ireo solontenan'ny mpiasan’ny orinasa Kraomita Malagasy (KRAOMA) avy any Brieville sy eto Antananarivo ho famahana ny olana sedrain’ity orinasam-panjakana ity amin’izao fotoana izao.

Laharam-pahamehana ny hahatongavan'ny vatsy ho an'ny mpiasa sy ny vady aman-janany tra-boina noho ny tondra-drano tany Brieville sy Andriamena, manampy trotraka izany ny tsy fandraisana karama. Mahakasika ity farany dia voavaha ny fandoavana ny volana Oktobra, Novambra sy Desambra; ary misy koa ny fiahiana ireo mpiasa tra-boina.

Nivoitra tamin’ity fihaonana omaly ity fa mibaby trosa 101 miliara Ariary sy fatiantoka 39 miliara Ariary ny orinasa. Manoloana izany dia hampiasa ireo fitaovana azo hahetsika ny orinasa mba hahafahana mamokatra izay kely vita fa tsy voatery hiandry ny Rosiana.

Hatreto dia mbola ny Rosianina no mpiara-miombon'antoka amin'ny KRAOMA, na nanajanona ny asa fitrandrahana Kraoma aza ny Rosianina nanomboka ny volana jolay 2019. Nivoitra nandritra ity fihaonana teny Ampandrianomby omaly ity fa hojerena ny pitsopitsony araka ny lalàna ny amin'ny mbola hanohizana na hanajanonana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta, mila jerena rahateo ny lafiny iraisam-pirenena ao anatin'ity fiaraha-miasa ity.

« Tsy misy olana tsy voavaha anaty fifampiresahana”, hoy ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nankasitraka ny tompon'andraikitra nihaino ny fitarainan'ny mpiasa sy nanaiky nifampidinika hirosoana amin'ny fanarenana ny orinasa ny delegen'ny mpiasan'ny Kraomita malagasy avy any Brieville, Andrianirina Dina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.