Kaompania CGHV: Nomen’ny fanjakana alalana hitrandraka herinaratra avy ao Volobe, Toamasina, mandritra ny 35 taona

  • jeudi, 13 février 2020 14:42
  • Sary: JIRAMA

Nomen’ny fanjakana Malagasy alalana ny kaompania CGHV (Compagnie Générale Hydroélectrique de Volobe) hitrandraka herinaratra avy amin’ny tohodrano ao Volobe, Toamasina, mandritra ny 35 taona. Notanterahana androany 13 febroary 2020 ny rangom-pohy mikasika izany sy ny fifanaovan-tsonia hividianan’ny JIRAMA herinaratra vokarin’ity kaompania ity.

Hiatomboka amin’ity taona ity ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Volobe izay hamokatra 120 MW ho an’ny faritra Atsinanana sy ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mialoha ny faran’ny taona 2023 no heverina hamokatra voalohany ity tobim-pampokarana herinaratra ity.

Tokantrano manodidina ny 360 000 no hisitraka izany ary hiteraka asa maherin’ny 400 ny fanatanterahana ny tetikasa.

Tanjona, hoy i Vonjy Andriamanga, Tale Jeneralin’ny JIRAMA, ny hampidinana ny saran’ny famokarana.

Manodidina ny 25 cents dolara (925 ariary) no ividianan’ny JIRAMA ny KWH amin’izao fotoana izao ary 7 cents dolara (259 ariary) kosa izany amin’ity tetikasa Volobe ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.