Fifamoivoizana anabakabaka: Nosokafana androany ny zotra Antananarivo-Fianarantsoa-Mananjary-Antananarivo

  • lundi, 13 janvier 2020 15:57
  • Sary nindramina

Nanao ny sidina voalohany, androany alatsinainy 13 jaonary 2020, ny fiaramanidin’ny kaompania GS Aviations nisantarana ny zotra Antananarivo-Fianarantsoa-Mananjary-Antananarivo, izay niato nanomboka ny taona 2009.

In-dray mandeha isan-kerinandro aloha amin’izao fiandohany izao no misy sidina, isaky ny alatsinainy, ary 470 000 Ariary ny sarandalana ho an’ny olona iray mandroso fotsiny. Santatra ihany ny androany, fa afaka roa na telo volana aorian’izao no hisesy ny sidina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.