Fitaterana nasionaly: Maro ireo mpandraharaha nijanona

  • vendredi, 10 janvier 2020 15:45
  • Sary fampiaigoana Gasypatriote

Mandalo fahasahiranana tanteraka ny sehatry ny fitaterana, lafo dia lafo ny haba alain'ny fanjakana amin'izy ireo, ka maro ireo nijanona tsy nanohy ny asa.

Ny fiara, matetika sprinter, na mitovitovy amin'izay, dia tsy latsaky ny 40 000 000 Ariary ny vidiny, vokatry ny haba-tseranana midangana alaina amin'ireo mpanafatra fiara, mbola eo ny seza sy ny fitaratra raha fiara mbola vao avadika mpitatitra olona.

Ny vidin'ny kojakoja fanolo ny fiara dia mihalafo avokoa, tsy afaka ametaka ireny piesy mora vidy nefa mora simba ireny izahay hoy ireo mpitatitra, satria ain'olona maro ny hiantsorohana.

Ny vola alaina amin'ny hetra isan-taona, dia manodidina ny 12 000 000 Ariary.

Toy izao ny kajy ataon'ny mpitaky hetra:

Vola maty tombanan'ny mpitaky hetra (Chiffre d'affaire CA estimé):

4 voyages AR= 8/semaine x 16 places x 52 semaines x 35 000 Ar= 232 960 000 Ar

Hetra alaina, ferany 5% amin'ny vola maty tombana (CA estimé)

232 960 000 Ar x 0.05= 11 648 000 Ar/an izany ny taxe.

Nefa hoy ireo mpitatitra, tsy misy fiara mahatratra 4 voyages aller-retour/semaine izany, na haute saison maha betsaka ny olona aza. Ny basse saison moa zara raha 1 voyage/semaine ihany.

Nefa efa mandoa hetra 800 Ar/litre amin'ny gasoil ny mpandraharaha. Koa raha mahavita 4 voyage/semaine izy izany efa mahatratra 20 000 000 Ar isan-taona ny hetra naloa tamin'ny gasoil isaky ny fiara.

Fitadiavam-bola toy ny rehetra izy ity hoy ireo mpitatitra ka tsy afaka manohy amin'ny asa feno fatiantoka.

Hita ny fiatraikan'izany teo amin'ny zotra Antananarivo - Mahajanga fa niakatra ny saran-dalana ho lasa 40 000 Ariary raha 30 000 Ariary izy teo aloha, ny fanazavana nomen'ny ATT Mahajanga moa dia vitsy ny fiara niasa ka izay no nahatonga ny saran-dalana niakatra.

Ny mpitazana ety ivelany moa dia milaza fa matoa manao dia mahazo tombony, ary mihabetsaka aza ireo fiara vao afarana no misy mpividy.

Ny mpitatitra kosa manao hoe: midira ahita, ny fanjakana faly mitango hetra, fa na ny hatsaran'ny lalàna tsy misy hita mivaingana izay ezaka atao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.