Solika: Hanao tolobidy ny fitondram-panjakana amin'ny fanafarana mivantana

  • vendredi, 25 octobre 2019 22:35
  • Sary nomena

Namory ireo mpandraharaha solika ao amin’ny GPM (Groupement des Pétroliers de Madagascar) ahitana ny Galana, Vivo, Jovena, Total, LPSA ary GRT, tao Ambohitsorohitra ny tolakandron’ity zoma 25 oktobra 2019 ity, ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, vao tafaverina avy any Sotchi, nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony Rosia-Afrika.

Nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ireto mpandraharaha ireto fa hanao tolobidy ny fitondram-panjakana afaka fotoana fohy, amin'ny fanafarana mivantana solika mba hisorohana ny tsy fahampian'ny solika toy ny nitranga hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, izay niteraka fitaintainana sy nampisavorovo ny saim-bahoaka sy ny nampihemotra ny raharaha ara-toekarena. Afaka mandray anjara amin’izany tolobidy izany na tsia ireo mpandraharaha solika misy eto ireo.

Nilaza ny filoha Rajoelina fa tsy nanaja ny voafaritry ny làlana ny amin’ny tokony hametrahana tahirin-tsolika 21 andro ireo mpandraharaha, fa 5 ka hatramin’ny 10 andro no nisy ka niteraka ny fikorontanana tamin’ny fitsinjarana solika teto an-drenivohitra.

Nanambara ireo mpandraharaha fa hanamboatra toby fitehirizan-tsolika lehibe miaty 20 000m3 ao Toamasina, hovitaina alohan’ny volana mey 2020, ary miampy iray hafa miaty 29 000m3 hovitaina hatramin’ny 2025. Nampahafantatra ihany koa ny GPM fa ho tonga amin’ny 15 novambra izao ny sambo faharoa mitondra solika.

Nametraka mazava ny filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy ireo toby fitehirizan-tsolika miisa 24 manerana an'i Madagasikara no mila halehibiazina sy hampitomboina.

Niatrika ity fihaonana ity ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo ary teknisianina amin’ny solika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.