JR Métaux Ampangabe: Nandray ny andraikiny ny ONE

  • mardi, 22 octobre 2019 10:37

Manoloana ny loto sy fanimbana ny tontolo iainana ateraky ny orinasa JR Métaux, fandrendrehana vy etsy Ampangabe Analamanga, dia nidina teny an-toerana ny solotenan'ny sampan-draharaha miaro ny tontolo iainana, na ny ONE. Ka dia nametraka ny fepetra rehetra tsy maintsy atao, hiarovana amin'ny fiparitahan'ny setroka misy taim-by, izay mankarary ny mponina eny an-toerana, ny fitandroana ny rano, ny fiparitahan'ny fako, ny fiarovana ny mpiasa, ny fanarahan-dalàna manodidina ny fahasalaman'ny mpiasa.

Nanome fepotoana ho an'ny orinasa JR Métaux ny ONE, ary efa voaray avy amin'ny mpampiasa ny tetikasa fanitsiana hanatsarana ny tontolo iainana.

Eo ampandinihina izany tetikasa fanitsiana izany ny ONE, ary dia hanara-maso ny fanatsarana rehetra atao.

(Tahirin-tsary sy ampahan'ny fepetra tsy maintsy tanterahin'ny orinasa JR Métaux)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.