Mananara Nord: Tsara ny vokatra lavanila fa tsy mahita lalana ny mpamboly

  • mercredi, 09 octobre 2019 08:03
  • Sary nomena

Tsara ny vokatra lavanila tamin'ity taom-piotazana 2019 ity, nefa mijaly ireo mpamboly satria araraotin'ireo mpanangom-bokatra, vidiany mora ny lavanila noho ny aratsian'ny lalana. Amin'ny alalan'ny fiaramanidina no akan'izy ireo ny vokatra.

Tafakatra 1 200 000 ariary izao ny kilao amin'ny lavanila efa masaka, azo ahondrana any ivelany.
Maro ny mitady lalana hamarotana ireo vokatra efa vonona, misy koa ireo tanora te hisehatra amin'ny fanamboarana "essence de vanille", fa tsy mahita ny lalam-bola sy ny tekinika anaovana izany.

Lavanila maitso 5-6 kg eo no mahavita lavanila 1kg masaka, ampiasaina hakana "parfum" sy atao amin'ny sakafo, eo amin'ny 220 000 ariary ny kilaon'ny lavanila maitso .

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.