Fandaharanasa Fihariana: Nisitraka ny tantsahan’i Manandona sy Andranomanelatra - Antsirabe II

  • mercredi, 14 août 2019 14:21
  • Sary nomena

Nidina taty Antsirabe II, nijery ireo tetikasa nahazo tohana ara-bola avy amin’ny fandaharanasa Fihariana, sady nihaino ny hetahetan’ireo tantsaha, ny filoha Andry Rajoelina ny talata 13 aogositra 2019.

Eo ny tetikasan’ny fikambanana Avotra, ao amin’ny Kaominina Manandona, izay hanatsara ny famokarana ovy sy haricot vert, ankoatran’ny fambolem-bary, eo amina velaran-tany mirefy 30Ha, ary koa ny fampiroboroboana ny vokatra asa-tanan’ny mpikambana ao aminy.

Nisitraka ny famatsiana avy amin’ny Fihariana ihany koa ny tetikasa miisa dimy eo amin’ny sehatry ny famokarana ronono ao amin’ny Kaominina Andranomanelatra. Nividianan’izy ireo omby vavy be ronono ny vola azo, sy nanatsarana ny tontolon’ny famokarana ho matihanina kokoa.

Manome fanampiana eo amin’ny lafiny fampiofanana sy ny fitadiavana mpiara-miasa ho an’ireo tetikasa voafantina ihany koa ny fandaharanasa Fihariana, ary manome vahana ny tsirairay hihoatra amin’ny fiainana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.