Manerinerina - Ambato-Boeny: Mampiditra tamberim-bidy 20 tapitrisa Ariary amin’ny fanondranana vokatry ny tany

  • mardi, 02 juillet 2019 14:23
  • Loharanom-baovao: MAEP

Manodidina ny 20 tapitrisa Ariary ny tamberim-bidy azon’ny Kaominina Manerinerina, Distrikan’ Ambato-Boeny, Faritra Boeny amin’ny famoahana ny vokatra avy ao an-toerana toy ny lojy « black eyes », makany ivelany.

Nisy tsenabe naharitra telo andro tao an-toerana ny 21-22-23 Jona teo nampisongadinana ny vokatry ny fambolena ao amin’ity Kaominina ity. Andiany fahatelo ity foara ity ka tranoeva miisa 35 no nampiranty vokatry ny tany sy ireo asa-tanana. Ny vokatra lojy no tena nibahan-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.