Fiaraha-miasa: Tonga eto Madagasikara ny delegasionan’ny BAD

  • mardi, 02 juillet 2019 09:07

Mitsidika ireo tetikasa vatsiany vola eto Madagasikara ny delegasionan’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana omaly alatsinainy 01 jolay.

Ny ivontoerana fitehirizan-drà etsy amin’ny hopitaly HJRA, iray amin’ireo valo misy eto Madagasikara, sy ny ivontoerana fampiofanana ireo olona manana fahasembanana, teny Ampandrianomby – Antananarivo no nozahany tamin'izany.

Atao eto Antananarivo manomboka anio talata 02 jolay kosa ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny Tahirim-pampandrosoana ho an’i Afrika, andiany faha-15.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.