Banky Iraisam-pirenena: Marie-Chantal Uwanyiligira indray no ho Tale mpiandraikitra vaovao hiasa eto Madagasikara.

  • mardi, 25 juin 2019 19:50
  • Sary nomena

Handray ny asany amin’ny maha Tale mpiandraikitra vaovaon’ny Banky Iraisam-pirenena hiasa eto Madagasikara azy Ramatoa Marie-Chantal Uwanyiligira manomboka amin’ny volana septambra ho avy izao.

Handao an’i Madagasikara Ramatoa Coralie Gevers, Tale teo aloha, noho ny fahavitan’ny fe-potoam-piasany nandritra ny 5 taona.

Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ny delegasiona avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, notarihin’i Coralie Gevers, tale miandraikitra an’i Madagasikara, izay nahitana an’i Mark Lundell, tale mpanatanteraka, ary Marie-Chantal Uwanyiligira, tale mpiandraikitra vaovao hiasa eto Madagasikara.

Voaresaka nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny fifanakalozana, ka isan’izany ny fijerena ireo paika afaka hanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny « Plan Emergence pour Madagascar » ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.