Carlton: Namarana ny atrikasa ny ministeran’ny indostria sy ny asa tanana

  • vendredi, 21 juin 2019 16:03
  • Sary Njaka

Ny ministeran’ny indostria sy ny asa tanana dia namarana ny atrik’asa omaly alakamisy 20 jona, izay notontosaina tetsy amin’ny Carlton Anosy.

Tetikasa TSARA izay fiaraha-miasa eo amin’ny ONUDI sy ny governemantan’i Norvège.
Izany no natao dia mba hanatsarana sy hampiroboroboana ny asa tanana malagasy.

Efa nisy ny lalam-barotra ho an’ity tetikasa ity ho an’ireo mpanao asa tanana avy any Farafangana.

Manodidina ny 446 eo ny isan’ny mpanao asa tanana voakasika manerana an'i Madagasikara, ka ny 355 amin’ireo dia vehivavy avokoa.
Efa nanomboka tamin’ny Jona 2015 ity tetikasa ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.