Aleo alalaka ny fandraharahana, avelao anan-karena ny olona

  • mercredi, 12 juin 2019 13:29

Foano any Bianco, Samifin, CENI, ONE sy ireny rafitra appendice na notovatovanana misalovana asana ministera ireny.

Rohay any izany CITES izany.

Ny rafi-pitsarana no avaozina, tsy tokony io HCC io no andrim-panjakana fa tena fahefana fitsarana mahaleo tena, toy ny fahefana mpanatanteraka, fahefana mpanao lalàna.

Atao concours avokoa ny DG midina, fa tsy atao nomination politique.

Soloy carte bleue io vola maloto voretra feno kolikoly io, hiakatra 75% ny mpandoa hetra fa tsy 15% ohatr'izao fotsiny. Hiakatra avo 5 heny ny teti-bolam-panjakana. ka raha 8 000 miliara ariary izy ankehitriny dia ho lasa 40 000 miliara ariary.
Hiditra amin'ny ara-dalàna avokoa ny rehetra hatramin'ny mpivarotra amoron-dalana.

Omeo fahefana ary omeo ny Kaominina ny 50% n'ny vola miditra.

Ampidiro Service National daholo ireny mijorojoro tsy misy asa ireny. Maro ny asa azo ampanaovina azy ireny, na fambolen-kazo, na fampianarana, na fanaovan-dalana, na fiompiana sy fambolem-bary, na fahasalamana, na fandriam-pahalemana...

Omeo ny tompon'ny tany ny ambanin'ny tany, ny ambonin'ny tany. Izy no manapaka izay ho trandrahana ao na tsia, izy no manapaka izay hiara-hiasa aminy.
Azon'ny fanjakana atao fotsiny ny manao guichet unique hividianana ireo harena ambanin'ny tany rehetra ireny, toy ny volamena mba anomezana lanja ny sandam-bola malagasy.

Amidio ny bois de rose izay azo amidy, manana stock bois de rose efa tapaka isika, efa vita recensement ara-dalàna, izay nazahoan'ireo mpandraharaha ara-dàlana fahefana nanangona sy nitahiry azy. Manana stok en milliard de dollar isika amin'izao eo an-tokotany.

Trandrao ny ala, ny ranomasina, ny harena an-kibon'ny tany. Voleo kosa ary kajio ny ho avy. Ny fitrandrahana ala no nampanan-karena ny Kanadianina, ny Amerikanina, fa angaha fongana ny ala any, nampaniriany ny azy, sady trandrahany. Aiza no misy ala be indrindra fa tsy any?

Ompio ny sokatra sy ny voay hiteraka maro, dia amidio, ka raha ny isan-tokantrano aza hiompy, ka ny zanan-tsokatra ahazoana 3000 dollars, ka inona no olana, vao maika azy tsy ho ringana izy fa hiamaro.

Foano any io MID io. Atsangano ny banky malagasy.
Antsoy ireo Malagasy sy mpampianatra manam-pahaizana amin'izany. Aza manaiky andevozin'ireo milaza fa mpamatsy vola vahiny. Antsoy ny Malagasy manam-bola fa aza variana mitsakaraka mpandraharaha vahiny. Rehefa miainga ny ato anatiny, ho tonga foana ireo.

Voleo vary sy hazo fihinam-boa ny lemaka rehetra, zarao ny tany tsy miasa, omeo ireo tanora vonona amin'izany. Vao ny 5% n'ny tanintsika no misy fambolena.

Misy milliard de dollar efa matory ao SAVA sy Sud-Est, na vanille io, na bois de rose. Ny ao Daraina misy 500tonnes volamena, Ambatondrazaka, amin'ny tonne ny Chromme, Tsimiroro efa misy pétrole antapitrisa litatra efa ao anaty cuve, fa tsy hoe any ambany tany intsony, ny ao ambany tany mbola misy milliard de baril, bouton tokana dia miverina miodina ny ozinina.

An'inona any lavitra any anafatra solika ho an'ny Jirama, izay tokony tsy andoavam-bola aza raha ny solika ananantsika no ampiodinana azy.

Tsy zava-tsarotra izany, tsy manome 5 taona ny Firenena aho dia ho vita tsy misy olana ireo velirano nampanantenainy ireo. Izao miazakazaka mitety firenena mitady lalana.

Eto an-toerana ny vaha-olana fa tsy any ivelany. Modia.

Mba mihainoa ihany fa aza raisina ho tsikera hatrany ny tenin'olona, izay nambarako taminao hatreto tsy nisy diso.

Mirary soa e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.