Tsenabe: Nisokatra androany ary haharitra hefarana ny FEPA andiany faha-11

  • jeudi, 30 mai 2019 19:33
  • Sary nindramina

Nanokatra izany tetsy amin'ny Kianjan'ny Makis Andohatapenaka - Antananarivo androany ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Ranarivelo Lucien.

Adiany faha-11 ity FEPA na ny tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary fambolena ity, izay nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena dia fototry ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara”.

Mampiseho ny fivoaran’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ireo tranoheva maro mampiranty eny an-toerana.

Tanjon’ity hetsika ity ny hampirisihana ireo sehatra tsy miankina hiara-hiasa bebe kokoa amin’ny tantsaha, izay misehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, mba hisian’ny fifamenoana; ka hitarika ny fanatsarana sy fanavaozana ary ny fivoarana haingana eo amin’ny tontolon’ny famokarana ahatratrarana ilay fahavitantena ara-tsakafo.

Haharitra hatramin’ny Alahady 02 jona 2019 ny FEPA.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.