Angovo: « Tsy maintsy hihena ny vidin-jiro ho aloan'ny Malagasy », hoy i Andry Rajoelina

  • mercredi, 29 mai 2019 18:17
  • Sary nomena

« Tsy maintsy hihena ny vidin-jiro ho aloan'ny Malagasy atsy hoatsy. Tsy maintsy hotafarina ny Jirama ary tsy maintsy hasiam-panamboarana sy fandaminana hampijoro ny tena fitantanana mahomby marina sy lavitra ny kolikoly isika ». Fanambarana nataon’ny filoha Andry Rajoelina ao amin’ny pejiny Facebook io mifanindrandalana amin’ny fitsidihana ofisialy tanterahiny any Frantsa hatry ny omaly.

Nisy ny fanaovan-tsonia tetikasa manodidina ny angovo sy ny famokarana herinaratra azo havaozina niaraka tamin'ireo mpandraharaha Frantsay, izay nasaina ho avy aty Madagasikara.

Nilaza i Andry Rajoelina fa misokatra amin'ny rehetra ny fampiasam-bola eto Madagasikara, saingy ny tombontsoa ho an'ny Malagasy sy ny famoronana asa ary ny fampiroboroboana ny indostria no tena imasoana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.