Frantsa: Fihaonan’ny delegasiona malagasy tamin’ireo mpitantana orinasa frantsay mivondrona ao amin’ny MEDEF

  • mercredi, 29 mai 2019 18:04
  • Sary nomena

Fifanaraham-piaraha-miasa efatra no natao sonia omaly nandritra ny fihaonan’ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ireo mpitantana orinasa frantsay mivondrona ao amin’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France).

Mikasika ny sehatry ny famokarana herinaratra ny telo amin’ireo fifanarahana vita sonia ireo. Voakasik’izany ny tetikasa ao Sahofika miaraka amin’ny Groupe Eiffage Concessions izay hamokatra 200Mgw; ny fananganana ivon-toerana mpamokatra herinaretra ao Toliara miaraka amin’ny Akuo Energy ary ny fananganana tobim-pamokarana ao Volobe-Toamasina izay hamokatra 120Mgw miaraka amin’ny Compagnie Générale d'hydroélectricité de France.

Teo ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa natao niaraka tamin’ny Groupe Atos momba ny fampiharana ireo fomba maoderina eo amin’ny sehatry ny fambolena indrindra ny famokarana vary.

Nanambara ny filoha Andry Rajoelina fa ny tanjon’izao fitsidihana ofisialy izao dia ny hijerena fiaraha-miasa mahomby izay hitondra fampandrosoana maharitra ho an’i Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.