Mandoto: 1 850 Ariary no vidin'ny herinaratra iray kWh

  • lundi, 27 mai 2019 09:53
  • Sary nindramina

Adiny efatra isan'andro no misitraka herinaratra ny mponina eto Mandoto - Vakinankaratra. 1850 Ariary no vidin'ny herinaratra iray kWh amin'izany. Anisan'ny lafo indrindra eto Madagasikara izany vidin-jiro izany, hoy i Vonjy Andriamanga, Minisitry ny Angovo, ny Rano ary ny Ankoranafo nandritra ny fidinany tany an-toerana.

"Tsy maintsy sintomina hidina izany vidin-jiro izany ary atao laharam-pahamehana ny herinaratra azo avy amin'ny masoandro", hoy ny minisitra.

Misedra olana amin'ny tsy fahampian-drano ihany koa ny mponina noho ny fahasimban'ny fotodrafitra ety an-toerana. Namome toky ny minisitra fa tsy maintsy atao izay hisitrahan'ny Malagasy rehetra rano fisotro madio amin'ny vidiny mirary ary anisan'izany ny mponina eto Mandoto.

Marihina fa 370 Ariary ny iray KWh ho an'Antananarivo renivohitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.