Sambava: Nisintona lakolosy fanairana ireo mpikirakira lavanila tsy voaefa trosa

  • mardi, 30 avril 2019 21:29
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nifamotoana tao amin'ny efitrano malalaky ny Faritra SAVA ireo mpikirakira lavanila izay manana trosa amin'ireo mpandraharaha lavanila miisa 34 ary trosa hatrany amin'ny 180 miliara Ariary.

Miangavy ny fitondram-panjakana ireto mpikirakira lavanila ireto : ''mba tsy omena fahazoan-dalana hiala eto Madagasikara ireo mpandraharaha rehetra izay anananay trosa lavanila, aoka ihany koa mba tsy hahazo hanohy ny fotodrafitr'asa lehibe izay hatsangan'izy ireo raha tsy voaloa ny trosanay.

Mangataka ihany ireto mpikirakira lavanila ireto ny tsy hanomezana ireo tsy nandoa trosa ireo fahafahana hanondrana lavanila any ivelany.''

Maniry ny hanamafisan'ny fitondram-panjakana ny fanenjehena ireo mpandraharaha lavanila vaventy izay tsy mandoa trosa ka atao toy ny famongorana ireo dahalo fa lasa tsy hilamina aty SAVA raha izao no mitohy, hoy ireto mpivory ireto.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.