Faritra SAVA: Loabary an-dasy momba ny seha-pihariana lavanila

  • vendredi, 26 avril 2019 14:06
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nihaino nivantana ireo mpisehatra rehetra momba ny lalampihariana lavanila ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronon'ireo Minisitra efatra ao amin'ny governemanta tarihiny.

Miteraka olana lehibe voalohany ny daty hisokafan’ny tsena amin'ity taom-piotazana ity. Mangataka ny mpandraharaha mba ho any amin'ny volana Agositra ; ireo mpamboly sy olom-boafidy eny ifotony kosa maniry ny hanokafana ny taom-piotazana amin’ny volana Jolay raha tara indrindra. Ny seha-pihariana lavanila rahateo no miteraka ny tsy fandriampahalemana aty amin'ny Faritra SAVA.

Nanambara i Ntsay Christian fa « io daty isokafan’ny taom-piotazana io dia misy Ministera roa izay mandinika momba azy io mba hahazoana ny kalitao satria raha tsy voahaja io dia fantatrareo ny fiantraikan’izany amin'ny lavanila eto Madagasikara. Tsy maintsy mitandrina isika eo amin'ny fametrahana io daty io ».

Tsy mety hipetraka io tsy fandriampahelamana io raha mbola betsaka loatra ny kolikoly sy ny tsy fanarahan-dalana, hoy i Ntsay Christian. Nilaza ity farany fa «izay mitady hanakorontana dia fahavalom-pirenena ».

Nilaza ny praiminisitra fa manomboka amin'ity taona ity dia tsy maintsy apetraka ny TTR (Traitement en Temps Réel) mba hialana amin'ny hoe : tsy ampy ny vesatra anenjehana ireo voarohirohy amin’ny halatra lavanila.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.