Toliara: Nogiazana ireo sambo sinoa miisa enina nanjono tsy ara-dalàna

  • lundi, 18 mars 2019 22:48
  • Sary MAEP

Tsy manjono intsony ireo sambo sinoa miisa enina izay miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toliara. Efa an-tanety avokoa ireo tantsambo ary mitohy ny fanagiazana ataon’ny Foibe mpanara-mason’ny Jono mahakasika ireo fitaovam-panjonoana.

Manara-maso akaiky ireo sambo ireo ny Ministeran’ny fambolena, fiompina ary ny jono, hoy ny minisitra Ranarivelo Lucien.

Ny 22 febroary 2019 no nanjono farany ireo sambo ireo. Naato taorian’izay ny asan’izy ireo noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny fepetra izay napetraka tamin’ny fifanarahana izay nosoniavina tamin’ny taona 2017.

Nomena fotoana ny tomponandraikitrin’ireo sambo ireo mba hanajana ny fepetra ahafahany miasa eto amin’ny fari-dranomasin’I Madagasikara. Raha tsy mahafeno fepetra dia hatsahatra ny fahafahana manjono eto Madagasikara, hiarovana ny fiharihan’ny vahoaka mivelona amin’ny jono ao amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.