Fanondranana entana: Sahirana ireo mpandraraha

  • mercredi, 06 mars 2019 21:21
  • Sary nomena

Misedra olana ireo mpandrahara mpanondrana entana vokatry ny fambolena (ala) manoloana ny naoty sy fepetra navoakan’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosona lovain-jafy, Alexandre Goerget ny 29 janoary 2019 teo.

Raha azo ahondrana ny lodsia, lavanila, dipoavatra mbamin’ny cacao dia voarara noho io taratasin’ny minisitra io ny manodrana vokatra toy ny dipoavatra mainty, ravina centella sy ravintsara efa nokarakaraina manokana nohamainina.

Maro ireo mpandraharaha tratr’io fandraràna io, eny fa hatramin’ireo efa nisehatra tamin’izany amam-polony taonany, na dia efa vonona avokoa aza ireo taratasy hanondranana ny entana.

Mitaraina izy ireo satria tsy voahaja ny fifanarahana tamin’ireo mpanafatra entana any ivelany, manginy fotsiny ny fatiantoka haterak’izany fandraràna ataon’ny ministera izany ka ilàna vahaolana maika.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.