Famoivoizana anabakabaka: Hijanona ny famokarana ny A380

  • dimanche, 17 février 2019 14:04
  • Sary nindramina

Nanapakevitra ny orinasa Airbus ny hanajanona ny famokarana ny fiaramanidina mpitatitra olona lehibe A380.

Tao anaty hotely lehibe iray tany Carcassonne Frantsa ny volana jona 1996 no niketrika voalohany an'ity fiaramanidina lehibe mahazaka olona 550 amina rihana roa ity, ireo mpitantana ny orinasa Airbus, izay nandraisan'ny solotenan'ny kompania fiaramanidina vaventy toy ny amerikanina Delta, Northwest, United, ny eropeanina Air France, British Airways, KLM, Lufthansa, ny aziatika All Nippon Airways, Cathay Pacific, Japan Airlines, Japan Air System, Singapore Airlines ary ny ostralianina Qantas.

Tao anatin'ny vina ny hifaninana amin'ny Boeing B747-400, manana seza 416, ary ny tanjona dia hanana fiaramanidina mahavita 15 000km tsy ankiato, ary ny ampihena 15% ny sandam-pamokaran'ny fiaramanidina.

Samy nametraka ireo fepetra takiany ireo kaompania tsirairay manoloana ny Airbus, anisan'izany ny fepetra famoahana ny mpandeha rehetra ao anatin'ny 90 segondra raha sanatria misy loza, ny tsy hanovana be loatra ny seranam-piaramandiina andray azy, ny teknolojia ampiasaina, ny fanofanana ireo mpanamory.

Notombanana ho 11 miliara dolara ny ho laniana amin'ny fikarohana sy ny famoronana ity fiaramanidina goavana ity. Nefa dia nitombo avo roa heny izany rehefa tena natao ny asa 4 taona taty aoriana.

Raha 1400 no tanjona amin'ny isan'ny fiaramanidina ho vokarina, satria novinaniana fa ho betsaka ireo renivohitry ny firenena hampiasa ity A380 ity, dia 42 ihany no nisy nanao kaomandy tany amboalohany.

19 taona aty aoriana dia 241 fiaramandina ihany no kaomandy voaray. Lavitry ny afo ny kitay, ka dia nanapakevitra ny Airbus fa dia ajanona amin'ny taona 2021 ny famokarana ity fiaramanidina atao any Toulouse France ity.

Ny Airbus moa dia orinasa eropeanina, izay mandray anjara amin'ny fanamboarana ny piesy rehetra ireo firenena eropeanina toa an'i Allemagne, fa ny fanambarana ireo piesy rehetra ireo no atao any Toulouse France.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.