Orinasam-panjakana: Manomboka miarin-doha ny CNAPMAD

  • jeudi, 17 janvier 2019 08:59
  • Sary nomena

Teknisina maherin'ny 80 isa no nahazo fiofanana ho fahaizamanao hanatsarana ny fomba fiasa eo anivon'ny orinasa CNAPMAD.

Tao anatin'ny taona maro no nandalo fotoan-tsarotra ity orinasam-panjakana ity. Tsy maintsy averina amin'ny laoniny izany, hoy ny Tale Rajaonarivelo Brysola. Izay no tanjona tratrarina amin'ity taona ity.

Ankotra ireo dia hanomboka ihany koa ny asa fanarenana ireo efitrano izay efa tena simba mba hahafahana indray mamelomaso ity orinasam-panjakana ity.

Efa hanomboka tsy hoela ny andrana atao amin'ny famokarana ireo entana ilain'ny mponina andavanandro vokarin'ny CNAPMAD toy ny siô sy vera.

Afaka mamokatra ireny isika ary afaka ihany koa mifaninana amin'ireo orinasa avy any ivelany.

Afaka mamokatra fanaka samihafa ilaina amin'ny birao koa ny orinasa. Tanjona ny hanampy tosika ny fanomezana asa ho an'ny tanora, hoy hatrany ny Talen'ny CNAPMAD, Rajaonarivelo Brysola.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.