Ady amin'ny halatr'omby: Tsy basy na fanenjehana dahalo fotsiny

  • vendredi, 30 novembre 2018 13:45
  • Sary nindramina

Efa noresahitsika teto izy ity fa fampatsiahivana fotsiny.

Manana ny toerany lehibe ny omby eo amin'ny kolotsaina Malagasy. Fety, fahoriana, fanambadiana, fivavahana, fanompoana, sakafo, banky fitehirizam-bola...

Raha avo roa heny tamin'ny isan'ny mponina ny isan'ny omby 50 taona lasa, izao efa atsasaky ny isan'ny mponina sisa. 8 millions any sisa amin'ny 25 millions mponina.

Ny Malagasy dia tsy miompy omby ho anina, fa mikajy vola anaty omby noho ny tsy fisian'ny politika matotra momba ny banky.

Rehefa mila vola ny Malagasy vao mivarotra, ka tsy maharaka ny filan'ny mpihinan-kena ny omby amidy ho vonoina.

Antananarivo fotsiny no mihinana 600 omby isan'andro, ka tsy ho grevy ve eto raha tsisy hen'omby eny ambony latabatra fivarotana.
Dia manjaka ny halatr'omby amatsiana ny tsena. Manjaka arak'izany ny kolikoly, manomboka amin'ny karatr'omby, ny veterinera, ny mpitandro filaminana, ny fitsarana, ny mpitondra ambony.

Etsy an-kilany misy ny fanondranana omby any ivelany, iny kely fotsiny fa atao anafenana ny halatra anatiny iny, satria mora ny manilika amin'ny sinoa mpividy omby halatra, dia tsy hita ny tena mpangalatra omby eto an-toerana.

Arak'izany, tsara ny fisian'ny puce sy Tafika ari-fomba, fa ilaina ny Malagay miompy omby ho anina, midika izay fa mila manafatra karazan'omby ho anina. Jereo ny poulet de chair fa nihitatra be izy io, anga nisy tambazotra nangalatra akoho zany.

Tsy misorona.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.