CCI Ivato: Ambohimpihaonan’ireo mpahay toekarena

  • vendredi, 17 août 2018 19:48
  • Sary Gasypatriote

Tanterahina tetsy amin’ny Centre de Conférence International Ivato – Antananarivo mandritra ny roa andro, 17 sy 18 aogositra ny « Forum Economique International de Madagascar (FEIM)», andraisan’ny mpahay toekarena avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mpandraharaha, mpanapa-kevitra, mpanao politika, mifanakalo traikefa sy mitondra vahaolana iadiana amin’ny fahantrana sy ny kolikoly.

Misy kandida filoham-pirenena dimy, nasaina hanao famelabelarana amin’ity FEIM andiany voalohany ity, dia Razafindraosolo Zafimahaleo na Dama, Jean Ravelonarivo, Saraha Rabeharisoa, Jean Omer Beriziky ary Pastera Mailhol Christian Dieudonné.

Misy delegasiona avy any Torkia, Repoblika Demokratikan’i Congo, Rosia, India ary Côte d’Ivoire mandray anjara ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.