Antsirabe: Vitrine du Vakinankaratra faha-21

  • jeudi, 09 août 2018 20:02

Raikitra ary hiditra amin'ny andiany faha-21 ny hetsika ara-toekarena fanaon'ny FIOVA na ny Vitrine du Vakinankaratra izany. Ny 30 - 31 aogositra sy ny 1 septambra 2018 izao no hanaovana izany, manoloana ny Garan'Antsirabe.

Hiompana bebe kokoa ny fanomezan-danja ireo mpandrahara sy mpamokatra ny hetsika amin'ity indray mitoraka ity ary efa vonona amin'izany ireo mpandray anjara, izay efa ny 80%-n'ny noheverina no efa vonona sy nisoratra anarana, hoy ny mpikarakara.

"Ny sehatra tsy miankina sy ny mpiara-miombon'antoka, manosika ny fampandrosoana an'i Vakinankaratra", io ny lohahevitra voizina amin'ity taona ity raha ny nambaran'Atoa Ramarijaona Andrianjafy, filohan'ny Fivondronan'ny Orinasan'i Vakinankaratra.

Hisy ihany koa ny fanomezan-danja bebe kokoa ny tanora sy ny vehivavy, ary ankoatra ireo dia hisy ny valandresaka arahina adihevitra ho an'ny fampandrosoana ny fandraharahana eto Vakinankaratra.a

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.