Vokatra lojy: Mitaraina noho ny fanararaotana ataon’ireo Sinoa ny mpandraharaha

  • jeudi, 12 juillet 2018 18:28
  • Sary nomena

Sinoa no tena mpandray ny vokatra lojy avy any Soafia tonga eto Mahajanga. Tato ho ato anefa dia mamilafila miharo fanararaotana no ataon’ireo Sinoa mpamongady ireo. Tsy marin-toerana fa miaka-midina ny vidy andraisan’izy ireo ny lojy. Tsy mandray amin’ny gony (bag to bag) toy ny fanao hatrizay koa ireo Sinoa fa manivana ka izay tiany sy ilainy ihany no raisiny ary miovaova ny vidiny .

Idiram-patiantoka ary mitaintaina isaky ny mitondra vokatra ny mpandraharaha, mijaly noho izany koa ireo mpamboly sy mpanangom-bokatra, ka miantso ny ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana hijery vahaolana. Fanirian’ireo mpandraharaha ny tsy hiovaovan’ny vidim-bokatra ary koa hanekena ny “bag to bag”.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.