Sambava: Vomanga milanja 3 taonina nomen’ny fitondrana ny Faritra SAVA

  • vendredi, 06 juillet 2018 18:01
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nampafantarina omaly 05 jolay 2018 ny fahatongavan’ireo vomanga nafarana avy amin’ny FIFAMANOR (Fiompiana Fambolena Malagasy Norvezianina) any Antsirabe Vakinankaratra.

Ny fitondram-panjakana no niantoka azy, hoy ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana aty SAVA, Dr Belahy Canut Dieudonné.

Hozaraina amin’ireo Kaominina rehetra ato amin’ny Faritra SAVA ireto vomanga ireto ka afaka telo na efa-bolana dia efa hahazoam-bokatra izany hoy hatrany ny avy amin’ny sampan-draharahan'ny fambolena.

Atoa Jean Claude izay lehiben’ny Mpamboly eto Ambarimiambana Sambava dia nilaza fa mbola tsy ampy ireto fa tokony hasiana vokatra hafa ihany koa alefa aty SAVA.

Fa mametra-panontiana ny maro hoe : tena ity vomanga ity marina ve no mahamaika na ny mampanahirana ny mponina aty SAVA ?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.