Fitrandrahana vy: Manana 3 milliards tonnes ny Faritra atsimo

  • mercredi, 27 juin 2018 12:50
  • Sary nindramina

Ajoro ao Vatovavy-Fitovinany ny Indostria momba ny vy.

Ambony tokoa ny tahan'ny vy (fer - Fe) raha ny ao Fasintsara, Distrikan'Ifanadiana, Faritra Vatovavy-Fitovinany, fotsiny no jerena, mahatratra 38% ny vy ao anatiny.

Raha atao teny tsotra, dia raha maka 1 tonne minerai na ilay toerana misy azy ao, dia 380 kg amin'izay dia vy azo arendrika avokoa.

Ny Firenen-dehibe mandroso rehetra dia manana fototra indostrialy momba ny vy avokoa. (Métallurgie - Sidérurgie).

Rehefa mitrandraka vy anefa dia misy akora sy singa hafa ihany koa ho azo avy ao.

Manana maro isika raha vy, tsy hilaza fotsiny ny any Soalala.

Soalala Mahajanga: 300 millions tonnes
Bekisopa 125 km miala ao Fianarantsoa: 150 millions tonnes (45% Fer)
Fenoarivo Mananjary: 95 millions tonnes (38% Fer)
Fasintsara: 223 millions tonnes (Magnetite, Quartz, Améthiste, Citrine, Hématoïde, Cristal, volamena)
Betioky atsimo: 360 millions tonnes 24-46% Fer (Magnetite, Cristal, Limonite)
Ambohimahavony, ao avaratra atsinan'Ambositra: 300 millions tonnes (Magnetite, Cristal, Quartz, Graphite)
Fihaonana: 100 millions tonnes

Ny Frantsay moa efa nanao fandredrehana vy tao Mantasoa.

Ilana afo sy angovo maro izy io, nefa isika manana ny charbon de terre ao Sakoa Morondava izay azo ampiasaina tsara.

Teti-bola sy famatsiam-bola:

Raha ny faritra atsimo fotsiny izany dia efa misy tsy latsaka ny 3 milliards tonnes ny vy azo trandrahana.

65$ amin'izao ny tonne Minerai de fer, izany hoe manana 195 milliards de dollar ny Faritra atsimo.
Ny antsika anefa io hita maso ety ambony tany, tsy ilaina karohina ambany lavitra akory.

Tafiditra amin'ilay tetikasantsika momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany izy ity, izay misy tetibola:

- Foibe: 50% = 5 milliards de dollars;
- Faritra (3): 10% = 1 milliard de dollars;
- Malagasy rehetra na orin'asa Malagasy na orinasa vahiny mipetraka eto Madagasikara: 10% = 1 milliard de dollars;
- Vahiny: 30% = 3 milliards de dollars

Vitatsika io.
Patrick

(Sary nindramina)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.