Fantatrao ve: Raha ny vola azo avy amin'ny solika misy eto amintsika dia efa ampy ampandrosoana antsika

  • jeudi, 21 juin 2018 14:39

Manana tahiri-tsolika hatrany amin'ny 1 500 milliards de barils i Madagasikara.

Raha atao teny tokana dia 600 milliards de dollars isan-taona ny vola tokony hiditra amintsika Malagasy rehefa trandrahana ny pétrole eto amintsika.

Izany hoe 84 millions ariary na 420 millions fmg isam-batan'olona, isan-taona ao anatin'ny 50 taona eto Madagasikara.

Vao pétrole io, mbola eo ny volamena, ny vatosoa, ny vary fotsiny hoy isika dia ahitana 30 milliards de dollars ao anatin'ny 5 taona, nefa vao tany 10% no volena amin'izany.
Mbola ao ny hazandranomasina, ny bois de rose...Ajanoko eo sao lazaina mampaninofy aho.

Dia hoy ilay mpanakivy hoe, aiza no ahita vola sy teknolojia hamatsy ny fitrandrahana an'izany?

Ao indray no hoe hametraka politika hisarihana ny mpamatsy vola vahiny, ka rehefa atao mora ve no alaintsika, 1% ho an'ny Malagasy ary 99% ho an'ny vahiny, tsy ho avy izy? Omena azy koa ny tany mba hampisy sécurité des investissements, na atao bail emphytéotique 99 ans, izany hoe mpanofa tsy azo roahina ao anatin'ny 99 taona.

Dia tsotra ny havaliko azy, raha manana manga marobe ianao nefa tsy takatrao, na tsy manana ny tekinika hakana azy ianao, dia alaivo ny voasary takatrao amidio, dia mividiana tohatra hiakaranao ny manganao, dia rehefa lafonao indray ilay manga somary aty ambany, dia ampio échafaudage indray hiakaranao avoavo kokoa, sady mihinana manga ianao, no mihinana voasary, izay tsy lany amidinao.

Raha azavaina ara-tekinika, dia io ilay antsoina hoe effet de levier, fanao izy io eo amin'ny tsenam-bola, izany hoe mametraka 1 million de dollar ianao, dia afaka mampiasa 100 millions de dollars.
Izay no ilana Banky Malagasy ahafahanao manao an'izany, fa tsy hiankina amin'ny banky vahiny lava.

Izany hoe raha te hibata entana mavesatra ianao, dia asianao bao lava, ka apetrakao ery amin'ny tendrony ny entana, arakaraky ny maha lava ny levier na ny bao, no mahamora zakaina ilay entana. tsy hoe nihamaivana ny entana, fa ny levier nampiasainao no lava.

Vitatsika io.
Patrick

(Sary fitrandrahana Solika Tsimiroro Bloc 3104)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.