Toamasina: Mikatso efa iray volana izao ny asan’ny sampan-draharahan’ny hetra

  • vendredi, 15 juin 2018 22:19
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Sady mitokona tsy miasa ny ankamaroan’ny mpiasan’ny sampan-draharahan’ny hetra ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo eto Toamasina, no tsy mandray ireo mpandoa hetra.

Milaza izy ireo, taorian’ny fivoriambe nataon’izy ireo omaly fa “tsy azonay ekena velively ny fisiana orinasa tsy miankina misolo ny fanjakana amin’ny fanangonan-ketra fa tsy fanarahan-dalana ny toy izany, koa rehefa miato amin’ny asa ataony ny AMETIS vao misy asa mandeha eto”, hoy ireto mpiasan’ny hetra eto Toamasina tamin’ny alalan’ny mpandrindra azy ireo, Rabenjanahary Clérmond Alphonse.

Ankilan’izay dia nambaran’ity farany koa fa tsy tompon’antoka amin’ireo mangalatra miasa sy ireo andian’olona misandoka ho mpiasan’ny hetra Toamasina, ka nanairan’izy ireo sy nampitandremany ny vahoaka amin’ny zava-misy mba tsy ho voasoloky.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.