Fianarantsoa: Salon du Bon et du Goût andiany faha-5

  • jeudi, 24 mai 2018 08:23
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Mandrisika ny fihariana manodidina ny vokatra hazandranomamy sy ny fiompiana trondro ny hetsika amin'ity indray mitoraka ity.

Manao fanentanana ny ankizy madinika amin'ny nahandro sy ny sakafo mahasalama ihany koa ny mpikarakara amin'izao hetsika izao.

Tanterahina mandritra ny efatra andro nanomboka ny 22 mey lasa teo ity serasera tanterahan'ny Fianar Com sy ny Ajipad ity. Miahy manokana izany ny Ministeran'ny jono sy ny harena andranomasina.

Miakatra hatrany amin'ny 52 ny mpandray anjara tamin'ity taona ity. Nahitàna mpanjono sy mpanodina vokatra an-dranomasina avy any Vatovavy Fitovinany ny hetsika ankoatr'izay.

Marihina fa maro ireo tetik'asa no nanome fanofanana amin'ny fiompiana trondro eto Matsiatra Ambony. Tsy vitsy ihany koa ireo toerana fitsangatsanganana no manangana dobo fanjonoana ho fanampiana ny fidiram-bolan'ny tantsaha eny ambanivohitra.

Vokatra misongadina amin'izany ny tilapia sy ny carpe royale.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.