Lavanila: Hisokatra ny alahady 15 jolay 2018 ny taom-pihotazana

  • mercredi, 23 mai 2018 20:03
  • Sary Gasypatriote Sambava

Namaly ny fangatahana nataon’ireo mpandraharaha lavanila aty amin’ny Faritra SAVA ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ka tapaka fa ny alahady 15 jolay 2018 ny fisokafan’ny taom-pihotazana lavanila maitso ho an’ny Faritra SAVA, Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anosy, Analanjirofo ary Sofia (Bealanana - Befandriana Nord - Mandritsara) fa ny Analalava, Antsohihy ary Antananarivo-Haut, ao anatin'ny Faritra Sofia hatrany, no nisokatra nanomboka omaly 22 mey 2018.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.