Sambava: Vonona ny tsy hampiasa zaza tsy ampy taona eo amin’ny seha-pihariana lavanila

  • mardi, 17 avril 2018 14:27
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nasiam-panitsiana nandritra ny fihaonana teto Sambava ny 16 aprily 2018 ny dinam-paritra ifampifehezana momba ny seha-pihariana lavanila aty SAVA, ary raha andiny 44 izany teo aloha dia niampy telo izay nampidirina ao ny ady amin’ny tsy fampiasana ankizy tsy ampy taona eo amin’ity sehatra ity.

Telo taona lasa dia voakilasy tany amin’ny laharana fahatelo i Madagasikara eo amin’ny fomba fijerin’ny Amerikana ny lavanila avy aty amintsika raha faharoa izy teo aloha.

Voakilasy fa mampiasa zaza tsy ampy taona isika amin’ny fanondranana lavanila mandeha any ivelany ka ny fiantraikan’izany dia mety hitarika fanafoanan’ny Amerikana ny fanafarana ny lavanila avy aty Madagasikara.

Io no nahatonga ny Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa (BIT), hoy ny Talem-paritra aty amin’ny ranomasimbe indianina, Christian Louis Ntsay, nilaza fa mifandray ny fanajana ny Zo sy ny varotra amin’ny fomba fijery manerantany.

Anisany hahafahantsika manondrana lavanila amin’ireo firenena izay mitaky amintsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanajana ny Zon’ny ankizy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.