Fizahantany: Manana mpisera-dia mendrika ny aty Menabe sy Melaky

  • samedi, 14 avril 2018 09:00
  • Sary Gasypatriote Morondava

Notanterahina teto Morondava ny 12 sy 13 aprily teo ny fanombanana ireo mpisera-dia (guides) tato amin’ny faritr'i Menabe sy Melaky. Izany no natao dia ahafahana misivana ka mamantatra ireo olona lahy sy vavy mendrika hisehatra amin’ny fizahantany ato amin’ny faritra.

Miisa 73 ireo mpisera-dia amperinasa sy ireo vao handray asa niatrika izany. Ireo izay nahomby tamin’ny fanombanana dia omen'ny ministeran’ny fizahantany ny tataratsy fahazondalana manao ny asa (agrément).

Misy karazany telo ireo guides nankatovina ny fahafahany: Guide local, Guide régional ary Guide national.

Mpiasan'ny ministeran'ny fizahantany avy any Antananarivo sy avy aty Menabe no nanantanteraka izany ary fanohizana ny ezaka natao hanatsarana ny tontolon'ny fizahantany eto Madagasikara.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.