Port Toamasina: Niasa na andro fety aza

  • lundi, 02 avril 2018 18:55
  • Sary nomena

Tsy nisy fiatoana ny asan-dry zareo tao amin’ny MICTSL Toamasina, nandritra ny fetin’ny Paka, nanomezana fahafaham-po ireo mpandraharaha mpanondrana sy mpanafatra entana. Nisokatra hatrany ny seranana, fa ireo kamiao indray no zara raha tonga.

Olana zakaina amin’izao, ny fahateren’ny toerana fametrahana kaontenera tantanin’ny MICTSL, satria dia feno hatrany amin’ny 95% ireo toerana miisa 9 natokana hametrahana kaontenera ao amin’ny Port Toamasina.

Etsy ankilany dia nitombo izay tsy izy ireo entana afaran’ny mpandraharaha. Raha 1000 kaontenera ny entana tonga, zara raha misy 300 kaontenera no misy entana aondrana.

Eo amin’ny 450 isaky ny 24 ora anefa ireo kamiao miditra ny Port Toamasina, tonga haka entana. Indraindray misy fahasimbana fitaovana fa ny ladoany ihany koa tsy miasa 24 ora tsy miato, ny sambo anefa misy mitondra kaontenera 1000 be izao isaky ny tonga hany ka mitohana ao amin’ny MICTSL ny kaontenera vokatry ny tsy fifandanjan’ny entana miditra sy mivoaka.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.