Seranan-tsambon’i Toamasina: Hatomboka ny “VINA 2025”

  • lundi, 29 janvier 2018 14:18
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Hapetraka amin’ny volana aprily 2018 ny vato fehizoron’ny asa fanatanterahana io “Vina 2025” io, izay vatsian-dry zareo Japoney vola.

Nambaran’ny Tale jenerain’ny Seranan-tsambon’i Toamasina Avellin Eddy Christian fa ny taona 2021 dia efa azo hampiasaina ny ampahany voalohan’ny asa vita, ka isan’izany ny “Mole C3”. Mirefy 470m io fiantsonan’ny sambo io, 16m ny halalin’ny ranomasina eo aminy. Hisy koa toerana malalaka manana velarana 10Ha fametrahana kaontenera sy entana samihafa.

Raha ny 3/4 ny harinkarena anatin’ny firenena no miankina amin’ny seranan-tsambo izao, dia hitombo avo roa na telo heny izany amin’izao fanitarana ny seranan-tsambo izao, noho ny Spat manana toerana stratejika aty amin’ny fari-dranomasina Indiana sy aty Afrika Atsinanana amin’ny fitaterana an-dranomasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.