Sambava: Lany tamingana ny zana-trondro noho ny fampiasana ny harato ramikaoko

  • jeudi, 25 janvier 2018 12:48
  • Sary Gasypatriote Sambava

Harato kely maso ny ramikaoko. Mitandavana aman-jato metatra. Vatan-dehilahy any amin’ny 20 eo no miaraka misintona tsikelikely ary manao miara-mamindra any anaty ranomasina, ka izay zavatra rehetra tafiditra ao anaty faritry ny harato iny dia voaraoka avokoa hatramin'izay kely indrindra.

Voararan’ny lalàna anefa ny fampiasana ny harato ramikaoko. Ny zavatra hita teto Sambava Centre tsy lavitra ny biraon’ny Kaominina androany anefa dia samy manao izay hitany fa mety hahasoa azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.