Antaninarenina: Nankatoavin'ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny FEC

  • jeudi, 07 décembre 2017 14:33
  • Sary Njaka

Nampiantso mpanao gazety tetsy Antaninarenina omaly alarobia 06 desembra ny minisitry ny vola sy ireo mpiara-miasa aminy.

Nivoitra tamin'izany ny filazana fa nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan'ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny tomban'ezaka andiany faharoa nataon'i Madagasikara amin'ny fifanarahana Facilté Elargie de Crédit na ny FEC, ka dia omena an'i Madagasikara ny vola 44,5 millions dolara ho fanohanana ny rafi-panitsiana izay tokony mbola hatao. Io vola io moa da natokana indrindra amin'ny fanamafisana ny fahamarinan-toeran'ny fandoavam-bola ivelany.

Voalazan'ny ramatoa minisitry ny vola ihany koa fa dia mitohy tsikelikely ny fiarenan-dohan'ny toe-karena malagasy, izay porofoin'ny fitombon'ny harikarem-pirenena ho 4,1%.

Voafehy, hoy hatrany ity tompon'andraikitra momba ny vola ity, ny fisondrotambidy anatiny, satria dia nijanona ho 8,5% hatrany izany fisondrotam-bidimpianana izany.

Nihatsara hoy izy, namarana azy, ny tahirim-bola vahiny ao amin'ny Banky Foibe, satria dia mahatratra 01 miliara dolara ankehitriny ny tahiry ao, izay azo handoavana tsara ny entana miditra ao anatin'ny 3,4 volana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.