Vangaindrano ville: Matin'ny fofon'ny jorofo fotsiny fa tsy misitraka izany

  • vendredi, 03 novembre 2017 10:28

Ao anatin'ny taom-piotazana jorofo tokoa raha ny aty amin'ny faritra Atsimo Atsinanana amin'izao. Kaominina miisa telo aloha ny maresaka râja tsena jorofo dia Masianaka, Matanga ary Manambondro.

Saika mitoby eto Vangaindrano tampo-tanàna anefa ireo vokatra ireo ary eto ireo collecteur no manangona izay azon'ireo mpanangona madinika.

Mitontaly 200 Ar isaky ny kilao ny tamberimbidy alaina ka ny 50 Ar any amin'ny Kaominina niaingan'ny vokatra ary 150 Ar aloa any amin'ny Faritra.

Raha izany no jerena dia tsy misy anjaran'ny Kaominina ambonivohitr'i Vangaindrano mihitsy fa dia matin'ny fofony eto ihany.

Etsy andaniny dia midangana izay tsy izy ny vidin-javatra ary hamatra na zara fa misy mihitsy satria izay entana tonga dia lasa any amin'ireo kaominina telo voalaza etsy ambony avokoa.

Ny vary izao dia 600 Ariary ny kapoaka amin'ireny vary nafarana avy any ivelany ireny, izay lasa be mpividy fa tsy laitra ny vidin'ny vary gasy satria 700 Ariary. Tsy vitan'ny lafo vidy izy eto fa tsy ampy ka ny bokazaha (vovoka mangahazo) sy ny kazahapiky (mangahazo maina) avy any Matsiatra Ambony no mameno ny tsena ka any ny olona no manaram-po fa tsy araka intsony ny mihinam-bary in-telo isan'andro.

Lasa sakarivodambo fotsiny Vangaindrano amin'ity resaka jorofo ity, matin'ny fofony fa tsy mahita ny ventiny.

Commentaires (143)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.